Fanaraha-maso ny tsena : Napetraka ny laharana maitso 261 hanairana ireo izay mety ho tsy fanarahan-dalàna
Manoloana ny fidinan’ny vidim-bary dia nandray andraikitra ny Minisiteran’ny fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra mba hanaraha-maso izany haingana kokoa. Napetraka ny laharana maitso, 261, afaka antsoina maimaimpoana, hitorohana ireo izay mety ho tranga fampiakarana vidin’entana na tsy fanarahan-dalàna.
Tombontsoan’ny mpanjifa
Tapa-kevitra kokoa noho ny hatramin’izay ny hanao laharam-pahamehana ny tombontsoan’ny mpanjifa ny Minisitera ka nametraka ity laharana maitso ity. Miantraika amin’ny andavan’androm-piainan’ny mpanjifa rahateo mantsy ireo olana samihafa eo amin’ny sehatry ny tsena ireo. Araka izany, ity laharana ity dia natao ho an’ireo mpanjifa, hahafahany mitoroka ireo karazana tsy fanarahan-dalàna rehetra. Voalohany indrindra amin’izany ny mety ho fanararaotana hataon’ny mpivarotra mikasika ny vidin’entana. Indrindra eo amin’ny tsenam-bary izay mampikaikaika ny olona. Manaraka izany ny tsy fanarahan-dalàna mikasika ny fandrefesana sy ny fandanjana ; ny entana hosoka ; eny hatramin’ny fisian’ny resaka kolikoly eo amin’ny sehatry ny varotra. Nosokafana manokana araka izany ity laharana maitso ity mba hanairana ny fandraisana fanapahan-kevitra sy ho fitsinjovana ny fanjifana.
Hisy ny sazy hampiharina
Manoloana izay fanairana voaray dia hisy ny fanapahan-kevitra ho raisin’ny avy ao amin’ny Ministera. Azo ampiharina mantsy hoy izy ireo ny sazy omen’ny lalàna manan-kery raha mahita izany tsy fanarahan-dalàna izany. Raha tsiahivina, anisan’izany ny fisamborana avy hatrany ny entana. Manaraka izany ny fanaovana tatitra sy ny fampiakarana ny raharaha amin’ny ambaratonga samihafa. Efa nomanina ihany koa ny sazy an-tranomaizina, mifanaraka amin'ny fepetra voalazan'ny lalàna mikendry ny fiarovana ny zon'ny mpanjifa.