• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © France 24
Image
Vaovao

Donald Trump : Tsy misy afa-tsy lahy sy vavy ao Etazonia

21/01/2025 08:52 © Moov

Tontosa omaly 20 janoary ny fianianan'ny filoham-pirenena Amerikana Donald Trump. Notononiny tao anaty lahateniny sahady ny tsy fankasitrahana ny LGBT.

"Tsy misy afa-tsy lahy sy vavy manerana an'i Etazonia, ary politika ankapobeny izany". Hafatra matotra no napetraky ny filoham-pirenena Donald Trump tamin'ireo vahoaka amerikana nandritra ny "Inauguration Day". Midika izany fa tsy manaiky ny resaka LGBT ny tenany na eo aza ny fivoarana. Manana vina hamerina an'i Amerika ho firenena matanjaka sady manankarena indrindra manerantany ny tenany ka anisan'ny fitsipika apetrany ny fandavana ny olona sarindahy/ sarimbavy na miova fananahana.

Fitsipika hentitra

Azo antoka fa hametraka fitsipika hentitra kokoa ny fitondrana tarihan'i Donald Trump mba hampihenana sy hanafoanana mihitsy ny rivotra entin'ny LGBT. Tsy azo vinavinaina mihitsy ny fahalalahan'ny lahy samy lahy na vavy samy vavy hivady na hampiseho fihetsika hafahafa eny an-dalambe. Heverina ihany koa fa mety hahazo sazy ireo orinasa manome vahana ny LGBT.
Tsy hisy aloha izany ny fanomezana taratasy ofisialy hanamarina fa "non binaire" ny olona iray. Tsy azo ovaina ihany koa ny fananahana, izany hoe rehefa "lahy" no voasoratra ao anaty kopia nahaterahana dia tsy tokony hiova ho "vavy" izany any anaty karapanondro na pasipaoro. Tamin'ny volana desambra lasa teo, efa nanambara i Donald Trump fa esorina tsy hianatra intsony ireo mpianatra tratra miova fananahana. Tsy afaka manompo tanindrazana ka miditra ho tafika ihany koa ireo niova fananahana, ary ho esorina ireo izay efa ao nefa anisan'ireo "transgenre". Hisy fiovana goavana aterak'izany fanapahan-kevitra izany, ka anisan'izany ny mety ho fitokonan'ireo LGBT sy LGBTQ+.

Fandroahana ireo mponina tsy ara-dalàna

Anisan'ny imasoan'ny filoha amerikana Donald Trump ihany koa nandroahana ireo niditra antsokosoko tsy misy taratasy tao Etazonia. Heverina mantsy fa manavesatra ny ekonomia ao Etazonia ireo olona ireo, ka mahatara ny fampandrosoana. Eo ihany koa ny fahitana ny fitomboan'ny mponina haingana kokoa ao Etazonia.
Efa nampihatra io politika io ny filoha teo aloha Joe Biden, ka miisa hatramin'ny 270 000 ireo mpifindra monina an-tsokosoko noroahina niala an'i Etazonia tao anatin'ny herintaona. Hihamafy kokoa ny fisavana taratasin'ny tsirairay ka mety ho an-tapitrisany maro ireo voatery handao an'i Etazonia ato ho ato.

Lire la suite

Articles Similaires