• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © L'Information
Image
Vaovao

Fifamoivoizana : Miverina ny olan’ny mpampiasa lalam-pirenena amin’izao fotoan’ny fahavaratra izao

31/12/2024 10:43 © Moov

« Tapaka indray ny lalana eo amin’ny « passage à gué » eo Mahavavy noho ny rotsak’orana be » ka nahitana fiakarany indray ny rano, androany. Fanindroany izao tao anatin'ny iray volana. Tsy afaka mifamezivezy ireo mpampiasa ny lalam-pirenena. Saika misedra izany olana izany avokoa amin’ny ankapobeny ny eny amin’ny lalam-pirenena rehetra.

Lalam-pirenena fahenina RN 6

Isan’ny tena misedra olana mafy indrindra amin’izao fiantombohan’ny fahavaratra izao ny lalam-pirenena fahenina (RN 6). Ankoatra ny « passage à gué » eo Mahavavy sy Ifasy izay ahitana fahatapahana matetika dia efa mampanahy ny mpampiasa lalana any an-toerana ihany koa ny tetezan’ny Manambero ao Vohémar. « Efa hatahorana ho tapaka ihany koa io tetezana io. Amin’izao fotoana izao moa dia ny fiara madinika ireny no tena zakan’izy io ka tsy afaka mandeha ny fiarabe », hoy ireo mpitatitra olona amin’iny lalana iny. Hatahorana anefa io fahatapahana io rehefa tena ho avy betsaka loatra ny rotsak’orana. Ankoatra izany anefa dia mijanona ela be vao afaka amin’ireo « passage à gué » rehefa miakatra ny rano. « Ny mpandeha niainga ny sabotsy teo izao dia omaly alatsinainy vao afaka niala teo Mahavavy satria tsy maintsy niandry ny fandaminana sy ny fihenan’ny rano vao afaka mandeha », hoy ny fanazavana avy amin’ireo Koperativa ao amin’ny Tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka.

Lalana rehetra

Ankoatra io RN 6 io, dia isan’ny ahitana izany olana izany ihany koa ny RN 4 sy ny RN 7 ary ny RN 2. Ny rano be izay manimba ny tara eny amin’ny lalam-pirenena no olana ho an’ny RN4 mampitohy an’ny Mahajanga. Ny lalana malama sy ireo fiara be tsy maintsy mijanona eny amin’ny lalana kosa ho an’ny RN2 ary ny fahasimbana vokatry ny rano ihany koa ny eny amin’ny RN7. Tsy misy afa-bela araka izany fa miandry ny fanapahan-kevitry ny Fitondram-panjakana ireo mpampiasa lalana. « Misedra olana avokoa ny mpampiasa lalana rehetra. Efa manomana sahady ireo mpandeha anefa izahay amin’ny fiaingana. Mampahafantatra azy ireo ny mety hiseho dia mampiomana amin’izany. Ary toy izany foana isaky ny fahavaratra », hoy kosa ny Talen’ny Tobim-piantsonana Maki Andohatapenaka. Miteraka olana amin’ny andavan’androm-piainan’ny olona anefa io fahasimbana io.

Lire la suite

Articles Similaires