• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Aim-Panahy Katolika
Image
Vaovao

Fiangonana Katolika : Hankalazaina amin’ny 2025 indray ny taon-jobily fatao isaky ny 25 taona

30/12/2024 12:59 © Moov

An-kafaliana no nandraisan’ny mpino katolika maneran-tany ny taon-jobily 2025 izay nosokafan’ny Papa François tao Roma, ny 24 desambra teo. Mankalaza izany ihany koa ny mpino Katolika eto Madagasikara, tamin’ny alalan’ny fanokafana ny « varavaran’ny fanantenana » isaky ny Diosezy, omaly, alahady 29 desambra.

« Mpivahinin’ny fanantenana »

Isan’ny taona miavaka ho an’ny mpino ao amin’ny fiangonana katolika araka izany io taona 2025 io. Taon-jobily ny 2025 taona nahaterahan’ny Jesoa Kristy sy ny finoana io hankalazaina io. « Mpivahinin’ny fanantenana » no lohahevitra entina hankalazaina izany. « Nosafidian’i Papa manokana io lohahevitra io hanafarana ny mpino fa mpamafy fanantenana izy ireo. Amin’ny alalan’ny fifaliana sy ny fihavanana izany. Mandritra io taona io, ny mpino katolika tokony hanaparitaka izay fanantenana izay eny anivon’ny manodidina azy, ary miantomboka ao antokantrano izany », hoy i Monseigneur Fulgence Rabemahafaly. Evekan'i Fianarantsoa, nanazava. Tsara moa ny mampatsiahy fa ny taona 2000 no nisian’izany fankalazana izany farany. Fotoan-dehibe ho an’ireo katolika, hankalazaina isaky ny 25 taona izy io. Amin’io fotoana io no heverin’ny finoana katolika fa fotoana tokony hiaonan’ny mpianakavy tsy nifankahita efa ela.

Hamafa ny fahotana

Ankoatra ny maha fotoan-dehibe azy io dia misy ihany koa ny tombony ho an’ny mpino amin’ny fankalazana izany. « Tsy mandalo fotsiny io taon-jobily io fa ny mpino rehefa mandalo ny varavarn’ny fanantenana izay nosokafana dia voavela ny helony araka ny finoany », hoy hatrany ny fanazavana. Ao anatin’izany anefa dia misy ny dingana maromaro arahina mandritra ny fankalazana. Ao ireo dia mivavaka (pèlerinage) samihafa tanterahin’ny mpino, hiarahana amin’i Papa. Eo ihany koa ny fiombonam-bavaka amin’ny mpino rehetra manerana izao tontolo izao. Mbola isan’ny lehibe indrindra ihany koa ny fampiroboroboana ny fihavanana, ny fanabeazana ary ny fikolokoloana ny tany be iombonana. Raha ny fanazavan’i Papa François dia isan’ny famelombelomana ny fanantenana ao amin’ny olona tsirairay ny fanatanterahana ireo rehetra ireo.

Varavarana miisa efatra

Raha tsiahivina dia efa natomboky ny Papa François, tany Roma, ny 24 desambra teo ny famohana ny varavaran’ny fanantenana voalohany, dia ny varavaran’ny Basilique Masindahy Pierre izany. Omaly 29 desambra kosa ny tao amin’ny Cathédrale Saint Jean de Latran ; hitohy ny 1 janoary 2025 izany, ao amin’ny Basilique Sainte Marie Majeure ary ao amin’ny Basilique Saint Paul Hors Les Murs ny 5 janoary izao. Ireo varavarana efatra ireo izay tsy mivoha raha tsy taon-jobily toy izao. Nomarihina fa ireo fiangonana efatra ireo no natao ho fiombonan’ny Eglizy rehetra maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires