Fetin’ny faran’ny taona : Olona miisa 247 voakasiky ny tetikasa PRODUIR nahazo fanomezana
Mitohy hatrany ny fanolorana fanomezana amin’izao anatin’ny fety izao. Isan’ny nanatanteraka izany ihany koa ny Tetikasa fampandrosoana sy fiarovana ny tanànan'Antananarivo sy ny manodidina (PRODUIR). Olona miisa 247 amin’ireo toerana hiasany no notoloran’izy ireo entana ilaina amin’ny andavan’andro hanaovana fety.
Kaominina miisa roa
Tsy diso anjara ireo mponina, indrindra ireo tena marefo amin’iny toerana hiasan’ny tetikasa ato anatin’ny Kaominina Antananarivo renivohitra sy Bemasoandro Itaosy iny. Tafiditra ao anatin’izany ny boriboritany voalohany, fahefatra sy fahenina ary ireo mponina sasany tao amin’ny kaominina Bemasoandro Itaosy. Miisa 247 ireo olona nahazo vary, menaka, savony ary tsaramaso. Tsara ny manamarika fa nanaraka lamina napetraka ny fizarana mba hahafahan’ireo mpisitraka mahazo izany vatsy izany. Tao anatin’izany dia tokatrano tena marefo no tena nojerena voalohany. Ao amin’izany ireo renim-pianakaviana, izay loham-pianakaviana tena marefo sy ireo zokiolona. Fotoan’ny fizarana, indrindra ho an’ireo marefo ny fotoan’ny fety toy izao, ka nanatanteraka ny anjarany ny tetikasa.
Nanazava izy ireo fa zava-dehibe ho an’ny tetikasa ny miara-dalana hatrany amin’ireo voakasiky ny tetikasa indrindra fa amin’ny lafiny ara-tsôsialy. Tao anatin’izany dia nanazava foana izy ireo fa ny fanampiana ireo fianakaviana amin’ny alalan’ny fanomezana sy vatsy dia tsy midika fotsiny ho fampanantenana, fa manaporofo ihany koa fa tokony hiaraka amin’ny asa tanterahina ny fivoaran'ny fiainan’ireo tena marefo. Tanjon’ny tetikasa ihany koa ny hanampy amin’ny fanatsarana ny fiainam-bahoaka ao amin'ny faritra hiasan’izy ireo. Raha tsiahivina dia hikendry ny hanatsara ny fari-piainan'ny mponina an-tanàn-dehibe sy ny fiarovana amin’ny tondra-drano ireo faritra marefo amin’izany eto Antananarivo Renivohitra ny tetikasa.