Seranampiaramanidina Ivato : Voasambotra ireo "Porteurs" tsy ara-dalàna
Efa misy lalàna mifehy ny mikasika ny "porteurs" eny amin'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato. Nisy lehilahy maromaro voasambotra noho ny fisandohana andraikitra sy fangalarana tamin'ireo mpandeha.
Tsy vitsy ireo mpandeha no nitaraina tao amin’ny tambazotran-tserasera Facebook fa misy andian’olona izay manao an-tery narahina fandrahonana ny hibatan’izy ireo ny entana rehefa iny handeha na tonga iny ireo mpandeha. Tsy vitan’izany ihany anefa fa dia maro ireo entana no simba sy misy zavatra very ao anatiny. Ary dia mbola mangataka vola an-tery ireo andian’olona ireo rehefa tafiditra anaty fiara ilay entana. Rehefa omena anefa izy ireo dia tsy mandray raha vola kely fa misy mihitsy ireo izay mitaky « dévise ».
Etsy an-daniny ihany koa dia misy ireo izay mamono entana amin’ny sisiny. Matetika dia ifandrombahan’izy ireo ny entan’ny mpandeha ka misy aza dia simba mihitsy ny valizy ary misy ihany mahatsikaritra fahaverezana rehefa tonga any amin’ny tany alehany. Naharay fitarainana mikasika izany ihany koa ireo zandary miasa eny anivon'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato.

Fisamborana ireo olon-dratsy
Nitsirika sy nametraka vela-pandrika ny Zandarimaria ka tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny ireo "porteurs" tsy ara-dalàna. Miisa 6 ireo voasambotra tamin'izany. Natolotra ny fitsarana izy ireo ka voatazona am-ponja vonjimaika avokoa.
Tsara ny mampahatsiahy fa manao « gilet » miloko manga ny « porteur » ara-dalàna eny amin’ny aéropoprt Ivato. Efa misy mpamono entana ara-dalàna ihany koa eo amin’ny varavarana fidirana rehefa eo amin’ny fiaingana ny mpandeha. Entanina ireo rehetra mety mbola iharan'ny fanararaotrana isan-karazany hanantona ny mpitandro filaminana.
