Fitsenana ny taona vaovao : Dadi Love, Arnaah ary i Ceasar, hiaraka hampikorana ao amin’ny Yandy By Pass
Hakotrokotroka ny fety fitsenana ny taona 2025 ao amin’ny Yandi By Pass. Mikarakara lanonana hiarahana amina mpanakanto miisa telo be izao ny Jumelles Production. Ahitana an’i Dadi Love, Arnaah ary i Ceasar izany, manomboka amin’ny 9 ora alina.
Hametraka ambiansy
Fety isan’ny be mpankafy indrindra ity fety fitsenana ny taona vaovao ity. Ankoatra ny fiarahana amin’ny fianakaviana sy ny namana dia misy ihany koa ireo misafidy ny hamonjy lanonana efa voaomana, tsy ilaina fikarakarana be. Isan’izany ity « Grand Réveillon de Tana » , izay karakarain’ny Jumelles Production ity. Hira, dihy, korana, sakafo, zava-pisotro, samy efa homanin’izy ireo avokoa. « Mpanakanto telo, samy manana ny lazany sy ny gadony no hanafana ny lanonana. Ambiansy mafana no hiarahantsika mitsena ny 2025. Tsy misahirana intsony fa samy efa vonona avokoa ny zavatra rehetra », hoy i Dadi Love, isan’ny mpanakanto mandritra ny hetsika, sady mpikarakara ihany koa. Tsara anefa ny manamarika fa misy vidim-pidiriana 200 000 ariary ny lanonana izay haharitra hatramin’ny marainan’ny 1 janoary 2025.
Miandry mpankafy miisa 600
Afaka mandray olona hatramin’ny 600 ny Yandy By Pass, ao anatin’izany dia izay isa izay indrindra no antenan’ny mpikarakara amin’ity hetsika ity. Amin’ny ankapobeny dia natao ho an’ny salan-taona rehetra ny lanonana izay karakaraina sy ny fety izay hatolotr’ireo mpanakanto, hoy hatrany izy ireo. Manomboka amin’ny ankizy hatramin’ny olon-dehibe. Azo lazaina ho fetim-pianakaviana rahateo ny fitsenana ny taona vaovao, ary efa mahazatra ny mponin’Antananarivo ny mamonjy fety tahaka izao. Azo jifaina eny amin’ny Super Music Analakely sy eny amin’ny Yandy By Pass ny tapakila.