• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Minsanp
Image
Vaovao

HJRA : 215 no isan’ireo olona noraisin’ny sampana vonjy aina, nandritra ny Krismasy

26/12/2024 15:01 © Moov.Mg

Nahitana fiakarana ny isan’ireo olona nanatona ny Centre Hospitalier Universitaire Joseph Ravoahangy Andrianavalona (CHUJRA) eny Anosy, raha mitaha amin’ny tamin’ny taon-dasa, nandritra ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy teo.

4 no namoy ny ainy

Nahatratra 215 ny isan’ireo olona tonga nanatona ny sampana vonjy ainan’ny CHUJRA, ny andron’ny 24 sy 25 desambra 2024, raha toa ka192 isa izany tamin’ny taona 2023. Ny 21 tamin’ireo no tsy maintsy nampidirina hôpitaly. Niisa 4 kosa no namoy ny ainy, ka ny 2 tamin’ireo dia tao amin’ny hôpitaly no nindaosin’ny fahafatesana raha toa ka efa nodimandry tany ivelany ny roa.

Nahitana fitomboana ihany koa ny loza vokatry ny andraikitra sivily, toy ny fifampikasihan-tanana. Raha 33 isa mantsy izany tamin’ny taon-dasa, dia tafakatra 51 isa izany, ho an’ity taona 2024 ity. Niakatra tahaka izany koa ny isan’ny lozam-pifamoivoizana noraisin’ny CHUJRA an-tanana. Nahatratra 34 isa izany tamin’ity taona ity, raha toa ka 13 isa, tamin’ny taona 2023. Ny loza nitranga tany an-tokantrano moa dia niisa 17, araka ny tatitra azo avy eo anivon’ity hôpitaly ity.

Familiana sy fisotroana

Teo amin’ny sampana famelomana aina indray, niisa 22 ny fizaham-pahasalamana natao tamin’ity taona ity, raha 18 isa izany tamin’ny taona 2023. Ny 12 tamin’ireo no tsy maintsy nampidirina hôpitaly, ny sisa kosa nalefa nody, rehefa nahazo ny fitsaboana sahaza azy.

Momba ny fanapoizinana ara-tsakafo, niisa 5 ireo olona tratran’ny aretina vokatr’izany, raha atotaly. Ankoatra izay dia lehilahy niisa 6 no nampidirina hôpitaly vokatry ny fibobohana zava-pisotro misy alikaola tafahoatra. Nanararaotra nanentana ny amin’ny tsy tokony ampiarahana ny familiana sy ny fisotroana toaka ny avy eo anivon’ny CHUJRA, noho izany isan’ny antony voalohany miteraka ny loza.

Lire la suite

Articles Similaires