Ady amin’ny tsifanjariantsakafo : Hampiroboroboina ny fanjifana sakafo manan-karena otrikaina
Ho fampihenana ny tahan’ny tsifanjariantsakafo, dia namolavola vokatra manankarena otrikaina ho an’ny ankizy madinika sy ho an’ny olon-dehibe ny Gret. Novolavolaina niaraka amin’ireo orinasa malagasy ireo vokatra ireo ary nampifanarahana amin’ny filàn’ny mponina sy natao ho takatry ny rehetra ny vidiny.
Vokatra eto an-toerana
Tafiditra ao anatin’ny tetikasa iadiana amin’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny Gret sy ny mpiara-miombon’antoka aminy eto Madagasikara dia manangana rafitra matanjaka mikasika ny sakafo. Mifototra amin’ny fanomezana vokatra manankarena otrikaina ho an’ny ankizy sy ny olona marefo indrindra, amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ireo orinasa eo an-toerana izany.
Anisan’ireo orinasa mandray anjara amin’ity ady ity ny TAF sy ny Chocolaterie Robert. Izy ireo no manamboatra vokatra toy ny Koba Aina, lafarinina ho an’ny zaza madinika, Moosli ary Pôbary Aina, sakafo hanampy ireo ankizy mpianatra. Ireo dia namboarina hifanaraka amin’ny filan’ny zaza amin’ny vanimpotoan’ny fitomboany, ary amin’ny vidiny zakan’ny tokantrano. Manomboka amin’ny 200 ariary.
Nanamafy izy ireo fa afaka entina hampivoarana ny Malagasy ireo sakafo ireo satria rehefa salama dia afaka mamita fianarana. “Faly izahay mandray anjara amin’ny ady amin’ny tsifanjariantsakafo ary afaka mitondra ny anjara birikinay amin’ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara”, hoy ny avy ao amin’ny TAF.
Fomba famokarana hentitra sy manaraka fenitra
Alohan’ny famokarana, ilaina ny fahalalana ny filàna ara-tsakafo sy ny fomba fisakafoanana mahazatra ireo mponina ary indrindra ny kolontsain’izy ireo. Izany no mamaritra ny vokatra hoforonina sy ny otrikaina ampiarahina aminy. Araka ny fanazavan’i Alisoa Randrianarivo avy ao amin’ny Gret : “Tsy maintsy mahita vokatra mifandanja amin’ny kalitao, tsiro, karazam-piaraha-monina ary vidiny foana.”
Aorian’ny andrana sy ny fanitsiana ara-teknika, dia mbola miatrika dingana iray hafa indray ny vokatra : ny famokarana betsaka hahafahana manaparitaka azy manerana ny Nosy. “Ny tena fanamby amin’ity asa ity dia ny fahafahana mamokatra betsaka ho an’ny Malagasy maro an’isa kanefa mitazona hatrany ny vokatra azo antoka sy tsara kalitao ”, hoy i Dina Andrianantenaina avy ao amin’ny Nutrizaza.
Mba hahazoana vokatra azo antoka sy mahomby, dia napetraka ny rafitra fanaraha-maso kalitao amin’ny sehatra rehetra amin’ny famokarana. Nampanarahana ny fenitra NMG 191-1/2023, izay natao ho an’ny lafarinina ho an’ny zaza eto Madagasikara ireo vokatra ireo.