Krismasy 2024 : Nandeha be ny tsenan'ny mpivarotra sy mpanao sakafo
Fihinanambe ny fetin'ny Krismasy ho an'ny Malagasy. Tsy voatery nankany am-piangonana avokoa ny rehetra noho ny finoana samy manana ny azy, saingy tsy azo ihodivirana ny sakafobe. Azo lazaina fa tena tsara ny fitadiavana ho an'ireo mpivarotra sy mpanao sakafo.
Vorona, Hena, charcuteries
Nilaharana ny "rayon boucherie & charcuterie" teny amin'ireo Grandes Surfaces rehetra teto Antananarivo sy ny manodidina. Tena nahalafo be ihany koa ireo mpivaro-kena, indrindra ny kisoa sy ny vorona. Tsy adino ny vokatra azo avy amin'ny hena toy ny charcuteries, ny foie gras sy ny fromge de tête. Ho an'ireo mpivaro-borona kosa, maromaro ihany ireo entana tsy lafo satria aleon'ny olona tonga dia mividy ireo henam-borona tonga dia andrahoina.
Samy nanao izay mety ny fianakaviana rehetra, araka ny fahefa-mividiny avy. Nanao laoka manimanitra avokoa, ka ny ankamaroany dia nisafidy henakisoa sy Vorona. Mahasarika fianakaviana maro ihany koa ny "poulet de chair" noho izy azo ioriranana ny vidiny sady mora andrahoina sy omena tsiro. Marobe ihany koa ireo nanjifa ny "fruits de mer", indrindra ny trondro sy ny "crevettes".
PPN, legioma, voankazo
Fotoana fanararaotan'ireo mpivarotra PPN mandafo entana betsaka indrindra ny krismasy sy ny faran'ny taona. Mandeha be ny vary fotsy, indrindra ny "riz de luxe". Mahaliana ny mpiantsena ihany koa ny "couscous" sy ny "riz basmati". Anisan'ireo entana be mpitady ihany koa ny karazana paty, na spaghetti na macaroni. Niezaka nividy ireo fangaro fanomezan-tsiro sakafo ihany koa ireo mpiantsena : mayonnaise, sardine, ketchup, mais doux, sns. Nandeha be ihany koa ny atody, ny siramamy, ny fromazy sy ny episy isankarazany.
Nahazo ny anjarany ihany koa ireo mpivarotra legioma sy voankazo. Anisan'ireo entana tena nojifain'ny mpividy ny salady, ny laisoa, ny tongolo, ny voatabia sy ireo voankazo azo anamboarana ranomboankazo.
Zava-mamy
Toy ny tsy noely hono ny noely raha tsy mihinana "buche de noël". Marobe ireo mpanao mofomamy no nahazo kaomandy mialoha, ho an'ireo fianakaviana nanomana mialoha ny fety. Misy kosa ireo mofomamy natokana ho an'ireo mpividy izay omaly vao nitady izany "buche de noël" izany. Somary nahitana fiakarany ny vidin'ny mofomamy satria miakatra avokoa na ny atody na ny crème na ireo akora isankarazany tsy maintsy ampiasaina.
Tsy adinon'ireo mpanjifa tamin'ity taona ity ny vatomamy sy ny sokolà. Ireo ankizy moa no tena mihinana ireny zava-mamy ireny. Raha ny teny amin'ny "pavillon" Analakely manokana, teo ho teo amin'ny 1 kilao isaky ny mpividy no lafo. Nividy hatramin'ny 10 kilao na mihoatra kosa ireo miantsena ho ana orinasa na fiangonana.
Sakafo miavaka
Nisokatra avokoa ny ankamaroan'ireo "restaurant" salantsalany sy lehibe omaly. Marobe mantsy ireo fianakaviana nisafidy ny hianoka sakafo matsiro, nefa tsy te hikarakara ao an-trano. Ny "buffet" no tena nanintona ny mpanjifa raha ny omaly. Zava-dehibe ho an'ny mpisakafo ihany koa ny "animation" ka nisy ireo nandefa hira, raha nisy kosa ireo nanasa mpanakanto mihitsy. Fotoana tena hanintonana mpanjifa tokoa ny krismasy sy ny taombaovao ho an'ireo misehatra amin'ny "restauration & hôtellerie".