Doro tanety sy doro ala : Olona 48 no efa nampidirina am-ponja
Olona 74 isa no efa voasambotra tamin’ity taona 2024 ity, voarohirohy tamin’ny trangana doro tanety sy doro ala, araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy.
Sazy an-tranomaizina
Mbola ao anatin’ny vanim-potoanan’ny afo isika eto Madagasikara ankehitriny, ary nifanesy indray, tao anatin’ny herinandro izao, ny trangana afo nahakasika na nanakaiky faritra arovana. Araka ny nambaran’ny avy eo anivon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy, dia misy hatrany ny fanadihadiana ataon’ireo OPJ eo anivon’ity ministera ity, iarahana amin’ny mpitandro ny filaminana, mba hahafahana manasazy ireo tompon’antoka amin’ireny afo ireny.
Raha ho an’ity taona 2024 ity, dia nahatratra 74 ireo voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny doro tanety sy doro ala, ka nosamborina. Ny 48 tamin’izy ireo no nampidirina am-ponja, ka misy no misazy hatramin’ny 3 taona an-tranomaizina, taorian’ny nanolorana azy ny fitsarana. Nisy tamin’izy ireo ihany koa no tratra am-bodiomby, fa nisy no tratra taorian’ny fanadihadiana.
Vanim-potoanan’ny afo
Araka ny antontan’isa navoakan’ny MEDD, tamin’ny volana novambra lasa teo, dia miisa 1190 ny kaominina nahitana trangana afo tamin'ity taona 2024 ity, izany hoe : ny 75%-n’ny kaominina eto Madagasikara. Ny 98,31% tamin’izany trangana afo izany dia vokatry ny doro tanety avokoa ary ny 1,69% no doro ala.
Ao anatin'ny vanim-potoan'ny afo isika izao satria mafana sy maina ny andro, maina ny zavamaniry ary mahery ny rivotra. Eo anelanelan’ny volana ôktôbra hatramin’ny volana desambra no tena ahitana doro tanety sy doro ala, amin’ny ankapobeny, eto Madagasikara, izay fotoana fanaovan'ny olona afon-kijana sy afom-pambolena. Misy koa anefa ny afo izay iniana atao, mba hanimbana fotsiny, hoy ny MEDD.