Fanondranana antsokosoko : Mpiasan’ny raharaham-bahiny iray saika hanondrana volamena 53.7kg, karohina
Asa ratsy sarona tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny fiandohan’ity herinandro ity. Mpiasan’ny raharaham-bahiny iray, saika hanondrana volamena milanja 53.7kg, omaly alatsinainy, no karohina amin’izao fotoana izao, raha efa any amin’ny mpitandro filaminana kosa ilay iraka nampitondraina ireto volamena.
Taratasy fanomezan-dalana hosoka
Ilay tompon’andraikitra voarohirohy ho nanao sonia ny fanomezan-dàlana sandoka, izany hoe ilay mpiasan’ny raharaham-bahiny no hanaovana fikarohana amin’izao fotoana izao. Anton’izany ny fampiasana hosoka sy fisandohana asa. Etsy ankilany, raha ny fanazavana hatrany dia efa voasambotra kosa ilay voarohirohy hitondra ny volamena, ary efa eny anivon’ny mpitandro filaminana. Amin’izao fotoana izao kosa dia napetraka ao amin’ny Banky Foibe ireo entana ireo, hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny Minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina, sady mpitondra tenin’ny Governemanta. Nanamafy hatrany ity farany fa ny fitondram-panjakana dia manamafy ny fandraisany andraikitra hiady amin’ny asa ratsy sy ny fandikan-dalàna izay mety hanimba ny hasin'ny firenena sy ny tombontsoam-pirenena.
Fomba fiasa hentitra
Nanamarika hatrany ny Minisitera fa vokatry ny fiaraha-miasa hentitra no nahafahana nahatratra ity tambazotra mpanao asa ratsy izany. Voalohany amin’izany ny angom-baovao mari-pototra azo avy amin’ny fiaraha-miasan'’ireo tompon’andraikitra mahefa eny amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena eny Ivato. Teo ihany koa ny fampiharana ny fomba fiasa vaovao amin’ny fanaraha-maso hentitra ny fivezivezena eny amin’ny seranam-piaramanidina. Tsara moa ny manamarika fa niezaka nanamafy io fanaraha-maso io ny fadin-tseranana. Tao anatin’izany ny fampiasana ny fitaovana vaovao amin’ny haranita-tsaina voatrolombelona (intelligence artificielle), ary ny fampiasana feno ny « brigade cynophile » manana ireo alika mpitsongo dia sy ny fakan-tsary fanaraha-maso (caméras de surveillance).