Hetsika Fandroana Andriaka : Fotoana fidiovana, hidirana amin’ny taona vaovao
Tanterahina androany 23 desambra 2024 any Vatomasina Vohipeno, Faritra Fitovinany, ny hetsika ara-kolontsaina Fandroana Andriaka, izay fanao isan-taona, ho fahatsiarovana ny fahatongavan’ny Razamben’ny Anakara voalohany tao Vohipeno.
Taranaka jiosy
Efa nanomboka ny 21 desambra lasa teo no nisy hetsika notanterahina ao anatin’ny fankalazana ny Fandroana Andriaka, izay fomba mampiavaka ireo foko Antemoro Anakara avy ao Vatomasina Vohipeno. Androany kosa no tena andro lehibe famaranana izany, izay nomarihina tamin’ny fandroana teny amin’ny ranomasina, ho fanalana ny loto sy ny ratsy rehetra, ahafahana miditra amin’ny taona vaovao, miaraka amin’ny tsara sy ny fahasoavana.
Ara-tantara dia taranak’i Ali-Tawarath na Ralitavaratra, izay taranaka jiosy ary mpisorona tao Maka (La Mecque), izay nanapa-kevitra ny hifindra honina taty Madagasikara, ireo Antemoro Anakara. Ho fahatsiarovana ny fahatongavan’io Razamben’ny Antemoro Anakara io tao Vatomasina Vohipeno, no antony iray mbola anatanterahana ny Fandroana Andriaka mandraka ankehitriny.
Festival Andriaka
Androany ary dia nifoha vao maraina ireo mpizaika, na taranak’Anakara mbola monina ao an-toerana, na zanaka am-pielezana, na ihany koa vahiny sy mpizahatany. Nanao dia maro nankeny amoron-dranomasina, izay toerana nanatanterahana ny fandroana izy ireo, mba ho fidiovana sy fibebahana. Raha efa izay dia nanao diabe indray ireo mpizaika, niverina tany Vatomasina, toerana hamaranana ny fomba. Misy moa ny fady tsy maintsy hajain’ireo mpizaika, mandritra ny fankalazana ny Fandroana Andriaka, toy ny tsy fahazoana mihinana henan’omby sy kisoa, ny fisotroana toaka. Eo ihany koa ny tokony hanaovan'ny vehivavy taovolo araka ny nentim-paharazana sy ny satroka harefo.
Tamin’ity indray mitoraka ity dia nangataka ireo solontenan’ny tanora taranak’Anakara, mba hatao « Festival Andriaka » ity hetsika ara-kolontsaina mifototra amin’ny tantara ity, mba hipetraka holovain’ny taranaka any aoriana.