• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Rovan’i Madagasikara : Maharitra 3 andro ny fampisehoana Krismasy ao amin’ny Kianja Masoandro

23/12/2024 06:41 © Moov.Mg

Nosokafana tamin’ny sabotsy lasa teo, tao amin’ny Kianja Masoandro, eny amin’ny Rovan’i Madagasikara Andohalo, ny "Concert de Noël", tafiditra ao anatin’ny hetsika "Noelin'ny Fitia", karakarain’ny fitondram-panjakana malagasy.

Finoana, fanantenana ary fitiavana

Mampiavaka ny fankalazana nasiônaly ny Krismasy, eto Madagasikara, amin’ity taona 2024 ity, ny fampisehoana tanterahina eny amin’ny Rovan’i Madagasikara. Ny sabotsy 21 desambra 2024 no nanokafana izany, natrehan’ny filoha Andry Rajoelina, Mialy Rajoelina vadiny, sy ireo zanak’izy ireo telo mianadahy. Manomboka amin’ny 7 ora hariva, isan’andro, hatramin’ny 23 desambra 2024, dia hifandimby hiaka-tsehatra ireo tarika sy antoko mpihira isan-tsokajiny, ho fankalazana ny Krismasy, ary samy hampita hafatra mirakitra « finoana, fanantenana ary fitiavana, izay ho toy ny jiro manazava ny lalan’ny vahoaka malagasy », hoy ny fampitam-baovaon’ny Fiadidiana ny Repoblikan’i Madagasikara. Azon’ny rehetra vidiana ao amin’ny Ticket Place ny tapakila fidirana amin’izany fampisehoana izany.

Noelin'ny Fitia

Nandritra ny fandraisam-pitenenany, tamin’ny fanokafana ity "Concert de Noël" ity, dia nilaza ny filoha Andry Rajoelina fa miverina mamiratra indray ny Rovan’i Madagasikara, izay ravan’ny afo tamin’ny taona 1995 ary voaarina indray tamin’ny taona 2020, ka afaka mandray ity fampisehoana natokana ho an’ny Krismasy ity. Izany dia ahitana taratra ny fahafahan’i Madagasikara miarina sy mandroso, ao anatin’ny finoana, ny finiavana sy ny fanantenana, na dia eo aza ny sedra, hoy ny Filohan’ny Repoblika.

Etsy an-daniny, mitohy misokatra ho an’ny besinimaro ny zaridainan’Ambohijatovo, hatramin’ny 5 janoary 2024, izay noravahana jiro isan-karazany, eo ambany fiahian-drtoa Mialy Rajoelina. Ahitana « parcours » miravaka jiro, izay maneho tantara, ao an-toerana. Misy hazonoely, toerana fakana sary, tranon’i Dadabenoely sns. Araka izany, ity toerana ity, dia natao indrindra mba hiainan’ny ankizy sy ny lehibe ny fahagagan’ny Krismasy, ao anatin’ny lohahevitra "Noelin'ny Fitia".

Lire la suite

Articles Similaires