Fidirana amin’ny « Coalition mondiale pour la Justice Sociale » : Mitohy ny ezaka hampiroboroboana ny asa sy ny orinasa
Hiditra ao anatin’ny « Coalition mondiale pour la Justice Sociale » i Madagasikara. Izany no tapaka nandritra ny filan-kevitry ny minisitra, omaly, alarobia 18 desambra. Tanjona ao anatin’ity fanapahan-kevitra ity ny fanatsarana ny sehatry ny asa sy ny orinasa misy eto Madagasikara.
Tombony betsaka ho an’ny mpiasa
Isan’ny hahazo tombony betsaka amin’ity fidirana ao anatin’ny fikambanam-be ity ny mpiasa. Raha tsiahivina mantsy dia tanjon’ny fananganana izany « Coalition mondiale pour la justice sociale » izany ny hahafahana miady amin'ireo tsy fitoviana sy ny fanavakavahana, hiantohana ny zon’ny asa sy ny zo maha olona. Eo ihany koa ny fampiroboroboana ny asa sy ireo orinasa mba ho lovain-jafy izany. Indrindra indrindra, entina hanamafisana ny fiahiana ara-tsosialy ary hanohanana ny fanovana ara-drariny sy ny lafiny sosialin'ny fandrosoana lovain-jafy ihany koa io rafitra io. Madagasikara dia efa vonona hampiroborobo ny rariny ara-tsosialy ary mariky izany ny fidirana amin'izany vondrona izany. Etsy ankilany raha ny fanazavana dia mifanindran-dalana ihany koa amin'ireo laharam-pahamehana ara-toekarena, sosialy sy ara tontolo iainann’ny Madagasikara ny fijoroan’io rafitra io. Tsara moa ny manamarika fa mbola azo lazaina ho lavitry ny fahitsiana ny rafitry ny asa eto Madagasikara amin’izao ; ao anatin’izany ny momba ny rariny ho an’ny mpiasa ka efa ezaka ho amin’izany ny fidirana amin’ity rafitra ity.
Asa hiarahana manatanteraka
Tsy vitan’olon-tokana na fikambanana iray fotsiny izany fampanjakana ny rariny ara-tsosialy izany. Araka izany, asa hifandrimbonana izy io. Afaka miditra ao anatin’ny rafitra avokoa izay manolo-tena hampandroso ny rariny rehetra. Ao anatin’izany ny governemanta, fikambanan'ny mpampiasa sy mpiasa, fikambanana iraisam-pirenena sy isam-paritra, banky ho an’ny fampandrosoana, orinasa, fikambanana iraisam-pirenena tsy miankina amin'ny fanjakana ary ihany koa ireo akademia isan-karazany. Tsara ny manamarika fa an-tsitrapo no hirotsahan’ireo mpikambana rehetra ao anatin’ity rafitra fa tsy misy vola hangatahana aminy.