• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Cua
Image
Vaovao

Noelin’ny fitia : Hotanterahina etsy amin’ny zaridainan’Ambohijatovo ny seho jiro nahazatra teny Ambohitsorohitra

19/12/2024 10:54 © Moov

Hiova toerana indray ny haingo sy ny jiro izay manamarika ny fetin’ny Noely sy ny taona vaovao teny Ambohitsorohitra amin’ity taona ity. Ao anatin’ny hetsika « Noelin’ny Fitia » izay fanao isan-taona izany ary eny amin’ny zaridainan’Ambohijatovo indray no hitondrana azy. Efa miomana ho amin’izany avokoa ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Fiadidiana ny Repoblika amin’izao fotoana izao.

Hisokatra ny zoma 20 novambra

Hiavaka ny seho eo Ambohijatovo amin’ity taona ity. Nosafidiana manokana rahateo ny toerana, hoy ireo mpikarakara amin’ny maha-toerana akaiky ny rehetra azy io. « Io no toerana azo lazaina ho afovoany indrindra ho an’ny mponina avy amin’ny toerana samihafa eto Antananarivo. Malalaka ihany koa eo an-toerana », hoy i Stéphanie Rakotovao, mpikarakara ny hetsika eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Afaka handraisana ny rehetra araka izany ny hetsika. Haharitra hatramin’ny 5 janoary izany raha ny 20 desambra 2024 izao no hanokafana azy amin’ny fomba ofisialy. Ny Filoham-pirenena sy ny vadiny indrindra no hanokatra izany. Toy ny mahazatra dia 500 ariary ny vidim-pidirana ao amin’ny zaridaina ka tsy hisy fiovana izany amin’ity Noelin’ny fitia ity. Etsy andaniny dia misy ny lalana voafaritra mazava ao anatin’ny zaridaina, ary hanaraka izany avokoa ny mpitsidika ny seho rehetra ao an-toerana.

Mpitandro filaminana hatramin’ny 180

Tsy hilaozan’ny mety hisiana karazana korontana samihafa ny fety lehibe tahaka izao. Araka izany, hiara-hiasa ny mpitandro filaminana mba hahafahana miady amin’izany. Ao anatiny ny polisim-pirenena, sy ny polisy monisipaly ary ny fitandroana ny filaminana avy ao amin’ny Fiadidiana ny Repoblika. « Miisa hatramin’ny 180 no ahetsika mandritra io fety io. Tanjona ny fety anaty filaminana. Etsy ankilany dia vonona hatrany ihany koa ny sampana mpamonjy voina sy ny fiara mpitondra marary », hoy ny Jeneraly Rasolondraibe Jean Yves, Talen’ny fiarovana eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika. Hiasa isan’andro izy ireo, raha mivoha manomboka amin’ny 7 ora hariva hatramin’ny 10 ora alina kosa ny zaridaina.

Lire la suite

Articles Similaires