• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Pam
Image
Vaovao

Fiovaovan’ny toetr’andro : Mila fanamafisana ny fahaiza-miatrik’ireo tantsaha

17/12/2024 15:59 © Moov.Mg

Iray amin’ireo sehatr’asa ianjadian’ny voka-dratsin’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fambolena sy ny fiompiana. Manohana ireo tantsaha hanana sandantohitra (résilience) entina miatrika izany ny Fandaharan'asa iraisam-pirenena momba ny sakafo (PAM), tohanan’ny mpamatsy vola, toy ny Banky iraisam-pirenena.

Asa velon-tena sy sakafo maharitra

Manome tosika ho an’ireo tantsaha, indrindra ireo mivondrona anaty fikambanana, ny tetikasa misahana ny fahafaha-miatriky ny Rafitra ara-tsakafo (FSRP), izay vatsian’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Ivon-toerana Iraisam-pirenena ho amin’ny Fambolena aty amin’ny tany mafana (IITA) vola. Tanjon’ny tetikasa ny hananan’ny mponina asa velon-tena sy sakafo maharitra, eo anatrehan’ny fiovan’ny toetr’andro. Mba hahafahana mahatanteraka izany dia sehatra maro no iasana, toy ny fampihenana ny tsindry mihatra amin’ireo loharanon-karena voajanahary, ny fanamafisana ny fahaiza-manao ara-teknikan’ireo mpamboly sy mpiompy, ny fanomezana azy ireo fahafahana hihindram-bola, ny fampisitrahana azy ireo fitaovam-pambolena sy masomboly, ny fampitomboana ny fotodrafitrasa miompana amin’ny rano… Eo ihany koa ny fanentanana sy fampahafantarana ireo tantsaha ny momba ny fiovaovan’ny toetr’andro, izay tsy ampy mihitsy, ka mahatonga azy ireo tsy ho afaka mandray fanapahan-kevitra mifanaraka amin’ny zava-misy marina. Voakasik’ity tetikasa ity ny Faritra Analamanga, Atsinanana, Androy, Anosy ary Atsimo Andrefana.

Mamokatra kokoa

Iray amin’ireo tantsaha nisitraka ny tohana avy amin’ny PAM i Martin, 31 taona, manambady ary manan-janaka roa. Mponina any Bezaha, any amin’ny Faritra Atsimo Andrefana izy, ary mpikambana ao anatin’ny GAZEMA, izay ivondronan’ny tantsaha maromaro any an-toerana. Vokatry ny fanohanan’ny PAM ny fikambanana GAZEMA, araka ireo tanjon’ny tetikasa FSRP, dia afaka mamokatra legioma isan-karazany, vary, tsamaso sy ny maro hafa i Martin.
Tafiditra ao anatin’ity tetikasa ity ihany koa ny fandaharanasa momba ny fampisakafoanana an-tsekoly, ka ny vokatra eo an-toerana ihany no entina mamatsy izany. Ankoatra izay, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo tantsaha eo amin’ny teknikam-pambolena ary ny fampianarana azy ireo hahay hanodina sy hitahiry ny vokatra.

Lire la suite

Articles Similaires