• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Communauté Des Femmes D'Affaires De Madagascar
Image
Vaovao

A-viavy : Sampana mpanampy ara-pitsarana ny vehivavy mpanao gazety mety iharan’ny herisetra

17/12/2024 15:47 © Moov

Isan’ny olona iharan’ny herisetra ihany koa ny vehivavy mpanao gazety amin’ny fanatanterahana ny asany. Manoloana izany dia napetraky ny Fikambanana tsy miankina Ilontsera (ONG Ilontsera) tamin’ny fomba ofisialy, tamin’ity anio ity ny tetikasa A-viavy.

Ity farany izay sampana afaka hanampy ireo vehivavy ireo amin’ny fiarovan-tenany isan-karazany.

Miara-miasa amina Kabinetra mpanao lalàna

Ireo herisetra mianjady amin’ny vehivavy mpanao gazety ireo dia mety hitarika hatrany amin’ny raharaham-pitoriana sy ny raharaham-pitsarana. Ho fiarovana azy ireo indrindra no antom-pisian’ny tetikasa. Hiara-hiasa amina Kabinetra mpanao lalàna, dia ny Cabinet Randrianasolo araka izany ny ONG Ilontsera ao anatin’ity tetikasa ity. Voalohany indrindra amin’ny asa ho tanterahin’ity Cabinet ity ny mijery ilay trangana herisetra ary manamarina izany sao sarintsariny fotsiny. Rehefa izany dia manome torohevitra izy ireo amin’ny tokony hataon’ireo iharan’ny herisetra. Raha sendra mihitatra ny raharaha dia manaraka azy ireo ny mpisolovava manatrika ny zava-miseho rehetra ary manoro hevitra azy ireo amin’izay lalana tokony aleha. Ao anatin’izany asa rehetra izany dia hiara-hiasa amin’ny Fikambanan’ny mpanao gazety vehivavy eto Madagasikara (AFJM) ihany koa ny fikambanana.

Herisetra ara-nofo sy ara-moraly

Ho an’ny vehivavy dia matetika mpahazo azy ireo ny herisetra ara-nofo na ara-moraly. Miteraka fanelingelenana eo amin’ny asa fanaovan-gazety anefa ireo rehetra ireo ka voatohitohina ny fahalalahana. Izany no antom-pisian’ity tetikasa ity. Etsy andaniny dia maro ireo karazana tsindry mahazo ny mpanao gazety eny am-panatanterahana ny asany eny. Tsy voatery tsindry avy amin’ny mpitondra fanjakana na tompon’andraiki-panjakana izany fa mety avy amin’ny mpampiasa, mpanao politika, na olom-pienena izay mety ho voatonona anatin’ny fampahalalam-baovao. Tranga miseho matetika ny antsojay ataon’ny tompona orinasa fanaovan-gazety amin’ny lafiny karama na ny zo tokony ho sitrahin’izy ireo. Eo ihany koa ny fandrahonana ho faty hataon’ireo voatonotonina. Kanefa efa misy ihany koa ny sampana mandray an-tanana izany, izay mbola miara-miasa amin’ny ONG Ilontsera hatrany.
Tsara ny manamarika fa ny UNESCO amin’ny alalan’ny tahiry iraisam-pirenena ho fiarovana ny haino vaky jery no mamatsy vola ny A-viavy ary haharitra 18 volana ny fanatanterahana azy.

Lire la suite

Articles Similaires