• Cours de change
  • 5159.2 AR
  • |
  • $4417.58 AR
Copyright Image : © Goverinoran'Ny Faritra Sava
Image
Vaovao

Tetikasa TADY : Vola mitentina 3 miliara ariary mahery hamatsiana ireo tetikasa ao amin’ny faritra SAVA

17/12/2024 14:47 © Moov

Toy ireo faritra maro samihafa izay samy hisitraka ny tetikasa TADY na Tan-tsoroka ho an’ny Diaspora dia hahazo tombony amin’izany ihany koa ny faritra SAVA. Tonga nitsidika ara-pomba fanajana ny Governoran’ny faritra, Seramila Teddy Gervais, tao amin'ny toeram-piasany ireo tompon'andraikitra avy amin'ny tetikasa omaly.

Tetikasa telopolo

Voaresaka nandritra izany fihaonana izany ireo tetikasa isan-karazany ho tanterahina ao anatin’ity faritra ity. Miisa 30 izy ireo ary vinavinaina hitentina 3 250 000 000 ariary ( telo miliara, dimampolo sy roan-jato tapitrisa ariary) no hamatsiana ny fanatanterahana azy rehetra. Marihina moa fa eo ambany fiahian'ny Ministeran'ny Raharaham-bahiny, miara-miasa amin’ny Vondrona Iraisam-pirenena hoan'ny Fifindra-monina (OIM), ny Ivontoeram-pikarohana hoan'ny Fampandrosoana (IRD) ary ny Expertise Française (EF). Teo ihany koa ny fanohanan'ny Masoivoho Frantsay hoan'ny Fampandrosoana (AFD). Izany fifanampiana amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ireo izany dia natao indrindra hahatrarana ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena an'i Madagasikara ary indrindra, hanetsehana ireo am-pielezana amin’ny fanatanterahana io tanjona io.

Hafainganina ny fanatanterahana ny tetikasa

Nifanindra-dalana tamin’izany fihaonana izany ihany koa ny firesahana ireo mpiantsehatra rehetra ao anatin’ny tetikasa. Hiasa izy ireo mba hahafahana manafaingana ny asa rehetra miandry. Misy ireo mpilatsaka an-tsitrapo ao anatin’ny LOHARANO II, miisa 40 ao anatin’ny tetikasa. Eo ihany koa ny fametrahana manam-pahaizana 20 avy any am-pielezana, izay hampiroborobo ny fanatanterahana ny tetik'asa fampandrosoana any an-toerana amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa eo amin'ny rafitra eo an-toerana. Ao anatin’izany ny fiarahamonim-pirenena sy ny sampandraharaham-panjakana ary ireo mpikambana am-pielezana mifandray.
Raha tsiahivina, ity tetikasa ity dia efa nanomboka tamin’ny volana jolay 2023 ary ny AFD no mamatsy vola azy. Mitentina 7 tapitrisa euros izany ka entina hampandraisana anjara ny am-pielezana ho amin’ny fampandrosoana.

Lire la suite

Articles Similaires