Sokatra 912 isa tafaverina avy any Thaïlande : Ny Turtle Survival Alliance no mikarakara azy ireo
Sokatra arovana miisa 912 tamin’ireo 1.076 isa, izay nisy nanondrana an-tsokosoko ka tratra tany Thaïlande, no tafaverina soa aman-tsara teto Madagasikara. Niisa 100 mahery, araka izany no maty. Ny Turtle Survival Alliance no mandray an-tanana ny fikarakarana ireo biby ireo, mandrapamerenana azy ireo any anaty natiora indray.
Lisitra mena
Tamin’ireo sokatra 912 isa ireo, dia karazany amin’ilay antsoina hoe : sokapila na « tortue araignée » (Pyxis arachnoides), ny 757 isa ary amin’ilay karazany atao hoe : sokake na « tortue radiée » (Astrochelys radiata) ny 155 isa. Samy biby arovana avokoa ireo, tafiditra ao anatin’ny lisitra tovana I nalahatry ny CITES, izay manasokajy azy ho biby ahiana mafy ho lany tamingana. Tafiditra ao anatin’ny lisitra menan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Natiora (IUCN) ihany koa ireo karazana sokatra roa ireo.
Nambaran’ny filoha tale jeneralin'ny Turtle Survival Alliance, Marc Dupuis-Desormeaux, fa ny famerenana ireo sokatra ireo eto Madagasikara dia fandresena lehibe amin'ny ady maneran-tany amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna ny biby dia. Notsindriany fa azo tanterahina tsara ny famongorana ny trafika tahaka izao, rehefa mifanome tanana ny rehetra, ho fiarovana ny harena voajanahary. « Voninahitra ho an'ny Turtle Survival Alliance ny mandray anjara amin'ny fitandroana ny ain'ireo biby ireo, mba tsy ho lasan’ireo mpanao varo-maizina, sy mba hahafahany miverina amin'ny fonenany voajanahary », hoy ny nambarany.
Haverina any anaty natiora
Vao tonga teto Madagasikara ireo sokatra ireo dia noraisin’ny Turtle Survival Alliance an-tanana. Izy ireo no mikarakara ny fanokana-monina azy ireo, amin’ny toerana voatokana eto Antananarivo, izay naorina mba hamaly ny filàn’ireo biby. Misy, mandritra izany, ny fanaraha-maso ara-pahasalamana feno atao azy ireo. Aorian’izay, ary mialoha ny faran’ity taona 2024 ity, dia hafindra any amin’ny toerana arovana manokana any Berenty, any amin’ny Faritra Anôsy, ireo sokake. Efa ity toerana ity rahateo no nandray ireo sokatra tratra tany Kaomoro tamin’ny volana septambra lasa teo. Ireo sokapila kosa dia halefa any amin’ny zaridaina bôtanika Eden, izay toerana manokana ihany koa, any Atsimo Andrefana. Aorian’izay dia hampidirina tsikelikely any anaty natiora, izay tokony hisy azy, ireo sokatra ireo.
Nanamafy Razafimamonjiraibe Hery Lova, talen’ny Turtle Survival Alliance eto Madagasikara, fa zava-dehibe ny fiarovana ireo karazana biby lasibatry ny varotra tsy ara-dalàna, amin’ny dingana rehetra, manomboka amin’ny fanenjehana ireo mpanao ratsy ka hatrany amin’ny famerenana ireo biby amin’ny fonenany voajanahary. Ny TSA Madagasikara dia sady manomana ireo sokatra hiditra amin’ny dingana manaraka amin’ny famerenana azy ireo any anaty natiora, no mifantoka ihany koa amin’ny fitadiavana vahaolana maharitra ho fiarovana ireo biby amin’ny fanondranana tsy ara-dalàna.
Fahiny dia isan’ireo karazana sokatra maro an’isa indrindra maneran-tany, ny fianakaviamben’ny sokake sy ny sokapila. Vinavinaina ho efa mihoatra ny 75 % anefa ankehitriny ny tahan’ny fihenan’ny isan’izy ireo. Tandindomin-doza kosa ny 50 % amin’ireo karazana sokatra rehetra maneran-tany, na an-tanety na an-dranomasina.