Kolontsaina malagasy : Haharitra iray volana sy tapany ny hetsika lehibe natokana ho an’ny vakodrazana
Fameloma-maso ny vakodrazana malagasy. Hanatanteraka hetsika lehibe eny amin’ny Ivokolo Analakely manomboka androany hatramin’ny 31 janoary 2025 ny Vovonan’ny mpanao vakodrazana. Hetsika natokana hampiroboroboana indray ity kolontsaina malagasy ity izany.
Hampiseho ireo rehetra mampiavaka ny vakodrazana
Manomboka tsy dia fantatry ny taranaka aty aoriana amin’izao fotoana izao ny momba izany vakodrazana izany. Izany indrindra no tanjon’ny hetsika. « Manankarena kolontsaina isika eto Madagasikara. Isan’izany ny vakodrazana ka natao hampitana ny lova amin’ny taranaka mifandimby no ivon’ny hetsika », hoy i Joseph Rakotoarisoa, Filohan’ny vovonana. Ho hita ao anatin’izany ny fomba fitafy mampiavaka ireo mpiangaly vakodrazana manerana ny faritra 23. Ho ampirantiana mandritra ny hetsika ihany koa ny hira, dihy, taovolo, ary zavamaneno avy amin’ireo faritra miisa 23 ireo. Fampirantiana sy loabary an-dasy no hositrahina mandritra io 45 andro mahery io. Lohahevitra hitondrana izany hetsika izany ny hoe « fitafy malagasy, vakodrazana, mozika mampiray". Araka izany, hiavaka ny hetsika ary afaka hisitraka izany avokoa ny olona rehetra. Manomboka amin’ny ankizy hatramin’ny be antitra.
Tsy lefy laza ny mpanao vakodrazana
Nilaza ireto mpanao vakodrazana ireto fa mbola mitoetra hatrany izy ireo na dia eo aza ny firoboroboan’ny fanatontoloana. Isan’ny tanjon’ny hetsika ihany koa ny hanaparitaka indray ity kolontsaina ity manoloana ireo firoboroboana ireo. Miisa eo amin’ny 15 eo izy ireo amin’izao fotoana izao, mivondrona ao anatin’ity vovonana ity. Misy avy amin’ny faritra Itasy, Amoron’i Mania, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro ary Analamanga. Ankoatra ny maha-mpanakanto azy ireo dia manana andraikitra ihany koa izy ireo ny hizara izany amin’ny malagasy rehetra sy hampiakatra indray ny lazan’ity kolontsaina ity. Lesoka hiainan’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany ny fihenan’ny fampahafantarana azy amin’ny alalan’ny haino vaky jery. Manoloana izany indrindra dia miara-miasa amin’ny Ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina ny vovonana mandritra ny hetsika.