Fiompiana trondro : Heverina hivoaka ny volana febroary 2025 ny valim-pikarohana momba ny fiompiana pirina
Nitsidika ny FOFIFA izay ao amin’ny Station piscicole Analamazaotra, ny Minisitry ny jono sy ny toekarena manga omaly. Tamin’izany no nahitana fa efa mandroso ny fikarohana momba ny fiompiana pirina. Heverina haparitaka manomboka amin’ny volana febroary 2025 io valin’io fikarohana io.
Fiarovana sy fitandroana ny pirina
Miaina fahasoratana isan-karazany ny pirina eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Vao foy avy any anaty atody izy ireny dia efa misy misaka sahady ka mampihena ny isany izany. Tena ilaina anefa ny fisian’izy ireo ao anatin’ny rohivoaary. Ho fanoitra amin’izany ary dia heverina hivoaka amin’ny volana febroary 2025 izao ny voka-pikarohana momba ny fiompiana azy ireny.Natao indrindra izy io hampiroborobo ny fiompiana ireto karazana trondro ireto. Natao ihany koa hiarovana azy ireo manoloana ireo tsindry samihafa mahazo azy. Maro ireo voka-pikarohana efa notanterahin’ny FOFIFA ireo ary haparitaka manerana ny Nosy izany rehefa avy eo. Isan’ny mety ho hita ao anatin’izany valim-pikarohana izany ny fampanarahan-dalàna ny fihazàna pirina amin’ny alalan’ny fampiasana fitaovana matihanina. Marihina fa ahitana ny mpanjono ireto pirina ireto avokoa na eny amin’ny rano mamy na eny an-dranomasina. Tafiditra ao anatin’ny asa fikarohana ihany koa ny fampitomboana ny famokarana.
Hamokatra zana-trondro
Dobo fiompiana trondro mirefy 0.6ha no notsidihin’ny Minisitra tamin’ity fidinany an-tsehatra ity. Araka ny hita teny an-toerana dia azo hitarina hatrany amin'ny 2ha izany. Marihina fa mitovy amin'ny Zone d'Emergence Piscicole izay hapetrakin'ny Ministeran'ny Jono sy ny Toekarena Manga izy io ka fanamby ny hamokarana zanatrondro hamatsiana ny faritra Alaotra mangoro Manontolo. Ireo zana-trondro ireo ihany rehefa avy eo no hamokatra atody ka hanampy isa ny pirina ho an’ny mponina. Ankoatra ireo trondro lehibe mantsy dia mbola isan’ny sakafo ankafizin’ny malagasy ihany koa ny pirina.