• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Fao
Image
Vaovao

Sakondry : Tohana ara-tsakafo ho an’ny mponin’Analajirofo, sady manampy amin’ny fiarovana ny varika

16/12/2024 16:25 © Moov.Mg

Loharanona proteinina ho an’ny mponina maro ao anatin’ny Faritra Analanjirofo, ny karazana bibikely antsoina hoe : sakondry (Zanna tenebrosa). Ahafahana miaro ireo varika any an-toerana, amin’ny fihinanan’ny olombelona azy ireny ihany koa, ny fihinanan’ny olona ny sakondry. Ahiana ho lany tamingana anefa ity bibikely ity, izay mihasarotra hita hatrany amin’izao fotoana izao.

Fandaharanasa fiarovana

Mitovitovy amin’ny tsiron’ny henan-kisoa natono ny tsiron’ny sakondry, rehefa voaendy. Sakafo efa fihinan’ny mponina any ambanivohitry ny ilany Atsinanan’i Madagasikara, ity bibikely ity, efa hatry ny taona maro. Tsy lafo rahateo ny vidiny, ary azo hazaina any anaty ala any aza izy. Sady sakafo mitondra otrikaina izy io, no manampy amin’ny fiarovana ny varika ihany koa. Hanin’ireo mponina mantsy ny henan’ny varika, noho izy ireny loharanona otrikaina ho azy ireo. Miantoka ny 75% amin’ny proteinina ho an’ireo mponina ny henan’ny varika ary miantoka ny 14% amin’ny fera. Araka ny fanentanana ombieny ombieny anefa dia biby arovana ireto farany ary ahiana mafy ny ho lany tamingana, ka voararan’ny lalàna manan-kery eto Madagasikara sy iraisam-pirenena ny fihazana azy.

Misehatra amin’ny famporisihana ny olona hifantoka bebe kokoa any amin’ny sakondry, ny fandaharanasa SWM, izay miompana amin’ny fitantanana maharitra ny biby dia. Ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana misahana ny Sakafo sy ny Fambolena (FAO), ny CIFOR-ICRAF, izay ivon-toerana miompana amin’ny fikarohana mikasika ny ala, ny Foibem-piaraha-miasa iraisam-pirenena momba ny fikarohana sy momba ny fambolena ho an'ny fampandrosoana (CIRAD) no isan’ny manatanteraka ity fandaharanasa ity.

Sady fambolena no fiompiana

Amin’izao fotoana izao anefa dia mihena ny sakondry any amin’ny Faritra Analanjirofo. Maro ny antony mahatonga izany : ny fiovan’ny toetr’andro, ny fahasimban’ny ala, ny fahapotehan’ny karazanjavamananaina, ny fihenan’ny rotsak’orana… Izany rehetra izany dia mahatonga ity bibikely ity hihalany taranaka tsikelikely. Eo indrindra ihany koa ny tsy fameran’ny olona ny fihazana ny sakondry. Tsy tokony halaina hatao sakafo, ohatra, ireo efa lehibe afaka miteraka, saingy tsy voahaja izany. Eo indrindra no miditra an-tsehatra ny fandaharanasa SWM, izay tohanan’ny Vondrona Eoropeanina ara-bola ary arindran’ny Fikambanana Iraisam-pirenena ho an'ny Fiarovana ny Tontolo iainana WCS. Efa hatramin’ny taona 2018 no nanomboka ny fitadiavam-bahaolana mba hahafahana mampaharitra ny sakondry. Vao tsy ela akory izay no napetraka ny tetikasa fiompiana ity bibikely ity, izay tanterahin'ny mponina. Tsy sarotra rahateo ny fiompiana azy, fa mamboly karazana kabaro antsoina hoe : « tsidimy, izay ankafizin’ireto bibikely ireto ireo mponina, ary izany no manintona ireo biby hiakatra an-tanàna. Amin’izay, sady tsy voatery mankany an’ala intsony ireo mponina manangona sakondry, no manatsara ny nofon-tany ihany koa ny tsidimy.

Tena manankarena otrikaina ny sakondry, satria ny 100g aminy dia mitondra proteinina 20,1g, izany hoe : mitovy amin’izay entin’ny henan’akoho sy ny henan’omby, na ihany koa ny henan-kisoa. Ankoatra izay dia manankarena pôtasiôma, kalsiôma sy fera, ambony lavitra noho izay azo avy amin’ny biby, amin’ny ankapobeny, ity karazana bibikely ity.

Lire la suite

Articles Similaires