Fanadihadiana MICS-7 : Hanampy ny mpitondra amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra mitondra fampandrosoana
Hanomboka hidina an-kianja amin’ity volana desambra ity ireo mpanao fanadihadiana hanatanteraka ny Fanadihadiana faha-7 momba ny fiaimpiainan'ny ankizy sy ny vehivavy (MICS-7). Manan-danja goavana amin’ny fampandrosoana ny vokatra ho azo avy amin’izany.
Tany amin’ny fiandohan’ny taona 1990 ny Tahirin’ny firenena Mikambana ho an’ny Ankizy (UNICEF) maneran-tany no namolavola voalohany ny MICS. Tanjona tamin’izany ny mba hahafahana manana tondro hanombanana ny momba ny fiaimpiainan’ny akizy sy ny fianakaviany. Nitohy hatrany ny fanatanterahana izany fanadihadiana izany, ka ankehitriny dia isan’ny fitaovana iray azo entina manombana ny fahatraran’ny isam-pirenena ireo tanjon’ny Fampandrosoana Lovainjafy (ODD) ny MICS. Miditra amin’ny andiany faha-7 izany, ho antsika eto Madagasikara, raha toa ka tamin’ny taona 2018 no nanatanterahana ny MICS-6 teto amintsika.
Hamantarana ny fiaimpiainan’ny mponina
Amin’ny alalan’ity fanadihadiana ity no hahafantarana bebe kokoa ny toe-piainan'ny isan-tokantrano mikasika ny fahasalamana, ny fahazoana rano fisotro madio, ny fampianarana, ny fahasalamana, ny herisetra, ny fampiasana aterineto…
Maharitra 20mn hatramin’ny adin’ny iray sy sasany eo ho eo ny dinidinika hifanaovan’ireo mpanadihady sy ireo tokantrano notsongaina mba hamaly ny fanontaniana, araka ny fanazavana nomen’ny avy eo anivon’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny antontan'isa (INSTAT) izay tomponandraikitry ny fanatanterahana ny fanadihadiana. Misy andiana fanontaniana miisa 5 no hapetraka : fanontaniana momba ny tokantrano, fanontaniana miompana amin’ny vehivavy, fanontaniana miompana amin’ny lehilahy ; fanontaniana miompana amin’ny ankizy eo anelanelan’ny 5 hatramin’ny 17 taona, ary fanontaniana miompana amin’ny zaza latsaky ny 5 taona. Tafiditra ao anatin’ny fanadihadiana hatrany, dia misy ny fampiasana fitaovana samihafa, ho fitiliana ny rano fisotro, handrefesana ny halava sy ny lanjan’ny zaza ary hijerena ny refin-tsandry, hanombanana ny taham-pahaizan’ny ankizy eo amin’ny famakiana teny sy ny fanaovana kajy.
Antontan’isa ho lasa tohan-kevitra
Zava-dehibe ny fandraisana ireo mpanadihady ao an-tokantrano sy ny fanekena hamaly ny fanontaniana hapetrak’izy ireo, ao anaty fahatokiana sy fahatsorana ary filazana ny marina. Mijanona ho tsiambaratelo rahateo ny anarana sy ny mombamomba ny olona nohadihadiana. Ny fananana antontan’isa toy izao mantsy, hoy ny avy eo anivon’ny UNICEF, izay isan’ny mpanohana ara-teknika sy ara-bola ny MICS-7, no ahafahan’ireo mpitondra mandray fanapahan-kevitra, ho fanatsarana ny fiaimpiainan’ny mponina. Rehefa manana antontan’isa azo antoka ihany koa ny firaisamonim-pirenena, dia manana tohan-kevitra entiny manamafy ny haitaky ataony, ho an’ny fampandrosoana. Fa na ny isan-tokantrano tsirairay aza dia efa afaka mandray fanapahan-kevitra hanatsarana ny fiainam-pianakaviana, araka izay vokatry ny fanadihadiana eo.
Haharitra hatramin’ny volana aprily 2025 ny fanadihadiana MICS-7, izay hotanterahina any amin’ireo Faritra 23 manerana an’i Madagasikara, miampy an’Antananarivo. Any amin’ny volana novambra 2025 no tombanana hivoaka ny valin’ny fanadihadiana, aorian’ireo antanatohatra rehetra momba ny fikirakirana azy.