• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Safidy
Image
Vaovao

Mpanara-maso fifidianana SAFIDY : Nanamarika ny fifidianana kaominaly ny tsy fitoviana isam-paritra

16/12/2024 11:39 © Moov

Miisa 2455 ny biraom-pifidianana (BV) narahin’ny SAFIDY maso. Nizara tamin’ny kaominina 205, mandrakotra ny distrika 120 sy faritra 23. Tao anatin’izany dia nanamarika ny fanaraha-mason’izy ireo ny fahitana ny fitongilanana teo amin’ny lafiny maro isam-paritra. Tao anatin’izany ny fotoan’ny fampielezan-kevitra sy ny andron’ny fandatsaham-bato. Izany no isan’ny tatitra nataon’izy ireo tamin’ny fanambarana savaranonando momba ny fanaraha-maso ny fifidianana

Voafetra ny fampahafantarana

Mbola ambany hatrany ny taham-pandraisana anjaran’ny mpifidy tany amin’ireo BV narahin’ny SAFIDY maso. Nahitana fiakarana nefa izany raha ampitahaina tamin’ny fifidianana kaominaly 2019. Nahatratra 39,3% ny taham-pahavitrihana raha toa ka 33,3% izany tamin’ny 2019. Ny taham-pandraisana anjara ambony indrindra ary nihoatra ny 45% dia hita tany amin’ny faritra Androy (54,8%), Fitovinany (47,8%), Atsimo Andrefana (47,4%). Ambany kosa ary latsaky ny 30% ny fandraisana anjara tany amin’ny faritra Ihorombe (27%) sy Diana (28,7%). Azo lazaina ho anton’izany ny tsy fahampian’ny fanentanana sy ny fampahafantarana. Raha ny tatitra hatrany dia nahatsapa izy ireo fa voafetra ara-jeografika ny fanentanana sy fahampafantarana ny fepetra tokony arahina mikasika ny fifidianana. Maro no mpifidy tokony ho entanina no tsy tratra. Tetsy andaniny dia tsy mifanaraka loatra amin’ny olona manana fahasembanana ihany koa ireo hafatra. Tsy adino ny fahasahiranan'ny mponina noho ny fiakaran'ny vidim-piainana.

Fanaraha-maso ny « facebook » sy ny haino vaky jery

Mbola nanamafy hatrany ny tokony hisian’ny sampana mahaleotena mandrindra sy mifehy ny serasera (ANRCM) ny SAFIDY. Ao anatin’izany ny tambazotran-tserasera « facebook » sy ireo haino vaky jery isan-karazany. Nandritra ny fifidianana rehetra ny taona 2024 teto Madagasikara mantsy dia isan’ny fitaovana stratejika nampiasain’ireo kandidà ny Facebook. Sady naton’izy ireo hanamelohana ny tsy fanarahan-dalàna, nefa koa nanamafy ny fanalam-baraka izay mampitombo ny disadisa ara-politika izy io, hoy izy ireo hatrany. Miisa 269 ny trangan-javatra diso na vaovao diso niparitaka voamarina nandritra izany. Etsy andanin’izany, tsy nahitana fanarahamaso mahaleotena amin’ny haino vaky jery, ka namela ny CENI hitantana ny fitsinjarana ny tolotra omena ny kandidà amin’ny fanaovany ny fampielezankevitra eo amin’ny haino vaky jery. Noho izany dia mbola manamafy hatrany ny filàna sy ny maha zava-dehibe ny sampana mahaleotena amin’ny ny fandrindrana ny serasera, mba hiantohana ny fahalalahana sy ny endrika marolafy, ny SAFIDY.

Lire la suite

Articles Similaires