• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mesupres
Image
Vaovao

Fampiroboroboana ny fampianarana ambony: Nisitraka fampitaovana samihafa ny Oniversiten'ny Toamasina

16/12/2024 08:44 © Moov

Anatin'ny ezaka rehetra ho fampiakarana ny lentan'ny fampianarana ambony; nisitraka fitaovana samihafa ny Oniversiten'ny Toamasina. Tonga nitsidika sy nanolotra izany tany an-toerana ny Minisitry ny fampianarana ambony ny faran'ny herinandro teo.

Boky 800 baoritra

Boky aman'aliny no voalohany natolotra ho an'ireo mpianatra ao Toamasina. Boky miisa hatramin'ny 800 baoritra izany nomena izany. Ity farany ity izay fiaraha-miasa amin'ny Oniversiten'i Toamasina sy ireo mpiara-miombon'antoka aminy. Ao anatin'izany ny Oniversiten'i Rouen, sy ny « Livres sans frontières ». Sady, ihany koa, fanamafisam-piaraha-miasa eo amin'ny Faritra Atsinanana sy ny Région Normandie ihany koa izy ireo. Araka izany, tsy hanavahana, samy hahazo ny anjarany avokoa ny mpianatra rehetra isaky ny sampam-pianarana.
Nametraka hafatra tamin'ireo mpianatra ny Minisitra mba hikolokolo, hampiasa ary hamaky ireo boky ireo satria marobe ny tombontsoa azo avy amin'ny vaky boky, na dia eo aza ny fandrosoana entin'ny nomerika.

Fotodrafitrasa ho an'ny mpianatra

Nifanindra-dalana tamin'izany fampitaovana izany dia nisitraka fotodrafitrasa samihafa ihany koa ny mpianatra. Tsy ambakan'ny mpianatra rehetra ireo izay manana fahasembanana satria dia isan'ny notsidihina ihany koa ny "rampes" natokana ho an'izy ireo. Mitotaly 70 metatra izany ary nametrahana toy izany avoko ireo sampana samihafa. Etsy ankilany dia mbola nahazo tombony ihany koa ny Institut Confucius. Natolotra tamin'ny fomba ofisialy ho an’ireo mpianatra ny kianja filalaovana Basket, ny dobo haingon'ny toeram-pianarana, ny toerana famakiam-boky sy fialam-boly ao amin'io Institut Confucius io. Izany dia entina manohana hatrany ny fampianarana teny sinoa sy ny kolontsaina sinoa. Nisy ny takelaka mirakitra izany fitokanana izany, izay natrehin'ny Filohan'ny Oniversiten'i Toamasina, Pr. Razanakolona Diny, ny Tale Malagasy ao amin'ny Institut Confucius, Dr Ravelomanana Fidelys ary ny Tale Sinoa ao amin'ity Ivon-toeram-pampianarana ity, Dr Wang Linzhe. Samy naneho ny hafaliany tamin'ny fisitrahana ireo rehetra ireo ny mpianatra sy ireo Tompon'andraikitra isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires