• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Chido : Afa-doza i Madagasikara

14/12/2024 07:06 © Moov

Foana avokoa ireo filazana loza mikasika ny rivodoza Chido, manomboka androany 14 desambra. Mbola misy kosa nefa ny fepetra tsy maintsy arahina ho an'ireo mpampiasa ranomasina.

Manalavitra ny morontsiraka Avaratra Andrefan’ny Nosy hatrany i CHIDO ary tombanana hipaka any Mozambika ny Alahady ho avy izao. Tamin’ny 03 ora maraina teo dia tany amin’ny 246 Km Avaratra Andrefan’i Nosy Be no nisy ny foiben’ilay rivodoza mahery vaika CHIDO. Nahitana fihenana ny heriny ka 165 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 230 Km/ora manakaiky ny foibeny. Mizotra mianatsimo Andrefana izy amin’ny hafainganam-pandeha 25 Km/ora.

Afa-doza i Madagasikara

Tsy misy ahiana intsony ny fiatraikan’ny mivantana amin’ny toetry ny andro an-tanety eto Madagasikara. Noho izany dia foana avokoa ny filazana loza mikasika ity rivodoza ity ho an'ny mponina rehetra mijanona an-tanety. Mety mbola misy nefa ny sisan'orana any amin'ny faritra avaratra. Tsara ihany koa nefa ny manamarika fa mbola hikorontana ny toetry ny andro any an-dranomasina any amin’ny morontsiraka Avaratra Andrefana androany Sabotsy.

Fampitandremana farany

Iangaviana noho izany ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Cap St André sy Cap d’Ambre mbola tsy hiandriaka mandrapahalasan’ny loza tanteraka.Tsy azo atao ny miandriaka ho an’ireo mpampiasa ranomasina amin’iny faritra Avatra sy Avaratra Andrefan’ny nosy iny noho ny fisian’ny alondrano. Entanina hatranyny rehetra mba hanaraka ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony

Lire la suite

Articles Similaires