• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Indriconnect
Image
Vaovao

IndriConnect : Sehatra an-habaka iray hifaneraseran’ireo mpisehatra amin’ny tontolo iainana

13/12/2024 15:12 © Moov

Navoakan’ny Fikambanana tsy miankina INDRI tamin’ny fomba ofisialy tamin’ity anio ity ny « plateforme IndriConnect ». Sehatra iray any anatin’ny aterineto izy io. Tanjon’ny fikambanana tamin’izany ny hanolotra toerana iray hivondronan’ireo mpisehatra sy hifaneraseran’izy ireo.

Hifankahafantaran’ny samy mpisehatra

Antony lehibe namoronan’ny INDRI ity « plateforme » ity ny mba hifankahalalan’ireo mpisehatra ara-tontolo iainana. Voalohany indrindra dia ireo ao anatin’ny vovonana Alamino izay efa ahitana mpisehatra hatramin’ny 300 olona amin’izao fotoana izao. « Ahitana mpiantsehatra maro isaky ny faritra misy mpiaro ny tontolo iainana. Tsy mifankafantatra akory izy ireo kanefa mety mitovitovy ihany koa ny asa atao. Natao indrindra hanamorana ny fifandraisan’izy ireo ity plateforme ity ka mba hifanampiana isaky ny toerana misy azy ireo », hoy i Rakotomalala Linjasoa, avy ao amin’ny ONG INDRI. Marihina fa mivondrona ao anatin’izy ity avokoa ireo mpiaro ny tontolo iainana, na an-drenivohitra, na an-dranomasina na an-tanety.

Ahitana antontan-kevitra maro

Ankoatra ny sehatra hifaneraserana dia nataon’izy ireo hanangonana ireo antontan-kevitra efa misy ihany koa ity « plateforme » ity. Natao mba hahafahan’ny rehetra mijery sy manaraka ireo antontan-kevitra rehetra na an-dranomasina izany na an-tanety izy io. Nanamarika izy ireo fa hanamora ny fikarohana ny ao anatin’izy io satria ho toy ny tranom-boky lehibe ara-tontolo iainana saingy an-habaka ny fiasany. « Efa maro be ny voka-pikarohana efa nisy namoaka. Natao indrindra ny IndriConnect mba hampitambarana izany amin’ny toerana iray mba tsy hiverenan’ny fikarohana indray ho an’ireo izay mila antontan-kevitra », hoy hatrany ny fanazavana. Marihina fa efa nisy ny andrana notanterahin’izy ireo ka manamora kokoa ny asa hatao ny fisian’ity sehatra an-habaka iray ity.
Amin’izao fotoana izao dia efa ahitana antontan-kevitra miisa 285 ao anatin’ity « plateforme » ity ary efa misy mpikambana hatramin’ny 80. Tsy hanavahana rahateo izany fa ny mpisehatra amin’ny faritra 23 dia afaka miditra ao avokoa. Afaka mifanerasera ny mpisehatra ary samy afaka mampiditra ireo antontan-kevitra avy aminy avokoa.

Lire la suite

Articles Similaires