• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Velaran-tany mirefy 75 000ha no heverina hambolena hazo amin’ity taona 2024-2025 ity

13/12/2024 13:54 © Moov

Hatomboka ny alatsinainy 16 desambra ho avy izao ny taom-pambolen-kazo ho an’ny taona 2024-2025. Eny Andekaleka no hanatanterahana izany ary ny Filoham-pirenena no hitarika azy. Ao anatin’izany dia velaran-tany mirefy 75 000ha no vinavinaina ho rakofana ala mandritra io taona io. Miantso ny fandraisana andraikitra sy anjaran’ny tsirairay amin’izany ny Ministeran’ny Tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy.

Ezaka manerana ny Nosy

Isan’ny hanentanan’ny Ministera amin’izao fotoam-pahavaratra izao, sady fotoana hahafahana mamboly hazo ny fandraisana anjaran’ny rehetra. Raha eny Andekaleka no hanombohana ny fambolena dia ny manerana ny Nosy no antsoina samy hanao izany avokoa. Tanjona ao anatin’io ny fanamaitsoana indray an’ny Madagasikara, toy ny ezaka rehetra tamin’ireo fambolena rehetra teo aloha. « Efa manana tanin-janakazo manerana ny Nosy isika, izay mipetraka any amin’ny Distrika. Efa ahitana ihany koa ny kaominina sasany ary afaka samy maka eny avokoa ny rehetra », hoy i Razafindrabe Irina, Talen’ny hai-tondro ara-tontolo iainana eo anivon’ny Ministeran’ny tontolo iainana. Afaka samy misafidy izay hazo tiany hambolena sy mifanaraka amin’ny toetr’andro misy ny tsirairay ireo maniry hamboly izany.

Hampiasa teknolojia hiarovana ny fambolena

Lohahevitra hambolena amin’ity taona ity ny hoe « ala, antoky ny rano sy ny angovo ». Araka izany, goavana ny fanamby dia ny ho amin’ny fiarovana ireo ala mba ho lovain-jafy. Mba ho fanatrarana izany dia tanjona ny hiarovana ny hazo mba ho tena lasa ala izy ireny. « Isan’ny ho ampiasaina manomboka izao ny drone mba hiarovana araka izay tratra ireo hazo hambolena ireo. Hohamafisina ihany koa ny didy aman-dalàna ka tsy hisy ny fandeferana amin’ireo izay minia mandoro sy manimba », hoy hatrany ny fanazavana. Isan’ny paikady ihany koa ny hampitombo ny velaran-tany misy ala ka hampihena ny fandripahana izany.

Lire la suite

Articles Similaires