Mission 300 : Maminavina ny hampitombo avo roa heny ny tahan’ny fisitrahana herinaratra amin’ny 2030 i Madagasikara
Goavana ny vinan’ny Fitondram-panjakana ao anatin’ny tetikasa Mission 300. Mieritreritra ny hampiakatra ny tahan’ny fisitrahana herinaratra hatramin’ny avo roa heny, amin’ny taona 2030 i Madagasikara. Nampahafantarina omaly teny amin’ny Hôtel Le Louvre ny antotan-taratasy mirakitra ity tetikasa '' Mission 300 " (M300) ity. Ity farany ity izay mirakitra ny paikady entina hanatrarana io vina io.
Mila 1.2 miliara dolara isan-taona
Manana 6 taona i Madagasikara hanatrarana io tanjona lehibe io. Voarakitra ato anatin’ity antontan-taratasy ity araka izany fa vola mitentina hatramin’ny 7,2 Miliara Dolara no ilaina hatramin’io 2030 io. Raha ny fanazavana ao anatin’izany dia mila vola mitentina 1.2 miliara isan-taona i Madagasikara, hirosoana tsikelikely any amin’io tanjona faratampony amin’ny 2030 io. Vola izay natao indrindra hamatsiana ireo tetikasa isan-karazany. Ankoatra io fampisitrahana herinaratra io dia tafiditra ao ihany koa ny fampiroboroboana ny fomba fahandroana sakafo amin'ny angovo madio, sy ny sehatry ny angovo azo havaozina. Eoihany koa, isan’ny lehibe indrindra ao anatin’izany ny tetikasa Volobe. Fanoitra lehibe amin'ny fahavitan'ireo ezaka, ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, ary ny sehatra tsy miankina. Tsara ny manamarika fa ny Mission 300 dia vokatra avy amin'ny fiaraha-miasan'ny Banky Iraisam-pirenena (BM) sy ny Banky Afrikana ho an'ny Fampandrosoana (BAD) izay entina hamatsiana herinaratra ho an'ny mponina Afrikana miisa 300 tapitrisa hatramin'ny taona 2030.
Fakan-kevitra hahafahana manatsara ity antontan-taratasy ity
Ankoatra ny fampahafantarana ny antontan-taratasy dia fotoana natao ho fakàna ny hevitr’ireo mpisehatra isan-tsokajiny, indrindra fa ny avy amin’ny sehatra tsy miankina io atrikasa io. Tarigetra ny hitondra fanatsarana eo amin’ny antotan-taratasy fidiran’i Madagasikara ao anaty M300, izay hoentina eo anivon’ny Filan-kevitry ny Governemanta sy ny Filan-kevitry ny Minisitra. Aorian’izany dia hatao sonia any Dar es Salam (Tanzanie) amin’ny 28 Janoary 2025 izy io. Filoham-pirenena miisa 15 no handray anjara sy hanao sonia ny fifanarahana, amin’izao andiany voalohany izao. Manana hatramin’ny 18 Desambra 2024, araka izany, ireo mpisehatra maniry hitondra fanatsarana na fanamarihana, amin’ity antotan-taratasy ity.