• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Apmf Antsiranana
Image
Vaovao

Antsiranana : Mpizahatany maherin'ny 3 000 no nentin'ny Sambo M/S Norvegian Dawn

13/12/2024 08:13 © Moov

Niverina teto Madagasikara indray ilay sambo M/S Norvegian Dawn, ny alarobia 11 desambra lasa teo.

Ny M/S Norvegian Dawn dia sambo mpitatitra mpizahantany mitondra ny sainam-pirenena Bahamas, manana halavana 322 metatra, haavo 32 metatra ary halalina anaty ranomasina 11 metatra. Tsy vao voalohany ity sambo lehibe ity no nitondra mpizahatany teto Madagasikara.
Tamin'ny alarobia lasa teo, maherin'ny 6 000 ireo mpandeha nentiny. Miisa 2 166 ireo mpizahatany ary 1 0006 ireo mpiasa an-tsambo.

Tosika ho an'ny toekarena

Nijanona tontolo andro tao Antsiranana ilay sambo lehibe. Tamin'ny 6 ora sy sasany maraina dia efa nanomboka ny fitsidihana ireo toerana mahaliana rehetra. Na dia somary fohy aza ny fotoana dia nahita ireo toerana natoraly sy manan-tantara ireo vahiny, sady nanandrana ny sakafo malagasy tao an-toerana. Maro tamin'ireo mpizahatany no nividy ireo asa tanana vita malagasy sy ireo hanitra isan-karazany mampiavaka an'i Madagasikara, toy ny lavanila sy ny jirofo.

Lire la suite

Articles Similaires