• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza CHIDO : Mahery vaika, hikasika ny avaratr'i Madagasikara androany 13 desambra

13/12/2024 07:57 © Moov

Handalo manakaiky ny avaratr'i Madagasikara, 70 km miala ny Tanjona Bobaomby, ny rivodoza CHIDO, androany atoandro.

Nahitana fihenana hatrany ny herin’i CHIDO tato anatin’ny ora enina farany. Nihena ho 185 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 280 Km/ora manakaiky ny foibeny. Na izany aza, mbola anatin’ny sokajy rivodoza mahery vaika hatrany anefa izy. Tamin’ny 03 ora maraina teo dia tany amin’ny 251 Km avaratra atsinanan’Antsiranana I no nisy ny foibeny. Mizotra miakandrefana hatrany izy amin’ny hafainganam-pandeha 22 Km/ora.

Hanakaiky ny tany
Tsy miova ny vinavina mahakasika ny ho lalany izay tombanana handalo any amin’ny manodidina ny 70 Km avaratry ny tanjona Bobaomby anio tolakandro, amin’izao maha-rivodoza mahery vaika azy izao. Tsy hikasika ny tany i CHIDO, nefa mitondra orana betsaka sy rivotra mahery. Efa mikasika ny faritra avaratry ny Nosy moa ny rahona mialoha azy.

Filazana loza

Na dia handalo fotsiny manakaiky an'i Madagasikara aza ny rivodoza CHIDO, hanimba fotodrafitrasa maro izy, ary hahatonga tondradrano. Tsara raha mitandrina sy mandray fepetra ireo faritra ho voakasika.
-Loza mitatao (loko mena): faritra Diana, distrikan’i Vohemar;
-Loza manambana (loko mavo): Bealanana, Antsohihy, Analalava, Sambava ary Andapa.
Tokony ahena na ajanona mihitsy ny fivezivezena, na an-tongotra, na amin'ny fiara, noho ny fitandremana ny amin'ny mety fiakaran'ny rano, fiotsahan'ny tany sy fahasimbana fotodrafitrasa samihafa.

Fampitandremana ireo mpampiasa ranomasina

Tombanana ho 4 ka hatramin’ny 8 metatra ny haavon’ny onja amin’ny morontsiraka avaratra atsinanana sy avaratra andrefana mandritra ny fandalovany. Mety hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka izany.
Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Mahajanga sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Cap Est mba tsy hiandriaka intsony manomboka anio tolak’andro. Entanina ny rehetra mba hanaja mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony.

Lire la suite

Articles Similaires