Dama Arsène Andrianarisedo : « Ny vokatra havoakan’ny CENI irery ihany no tokony hitokiana »
Efa niparitaka manerana ny tambazotran-tserasera nanomboka omaly alina ny fironam-bokatra vonjimaika avy amin’ny olona maro samihafa. Manoloana izany indrindra dia nanamarika ny Filohan’ny Vaomiera Mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) fa ny vokatra izay havoakan’ity sampana ity irery ihany no tokony ho azo inoana. Hatreto anefa dia mbola tsy namoaka fironam-bokatra mihitsy ny CENI.
Mandalo antanan-tohatra samihafa ny vokatra
Tokony samy miandry am-pitoniana izay vokatra havoakan’ny CENI ny rehetra, hoy hatrany ny Filoha. Ao anatin’ny fikirakirana ny voka-pifidianana manerana ny Nosy mantsy ny ratsamangaikan’ny CENI amin’izao fotoana izao. Mbola mandalo antanan-tohatra samihafa ny vokatra avy any amin’ny biraom-pifidianana vao tonga tanteraka eny anivon’ny CENI ka isan’ny antony mbola tsy hahafahan’izy ireo mamoaka tatitra. « Miakatra any amin’ny sampana mpanisa vato (SRMV) ny vokatra avy eny amin’ny biraom-pifidianana. Hampiakarina eny anivon’ny Vaomieram-pifidianana eny anivon’ny Distrika (CED) izany rehefa avy eo. Eny amin’ny renivohi-paritany no hamoahana ny vokatra ofisialy izay hiandraiketan’ny fitsarana miady amin’ny fanjakana », hoy hatrany ity Filohan’ny CENI ity. Araka izany, tsy miakatra any amin’ny CENI foibe intsony ny fikirakirana ny vokatra vonjimaika ka miandry izany izy ireo vao afaka mamoaka ny fironam-bokatra.
Vokatra mifanaraka amin’ny fanisam-bato
Nanamafy ireto avy ao amin’ny CENI ireto fa tsy hisy ny fanovana izay voaray tamin’ny fanisam-bato. Voka-pifidianna izay mifanaraka tamin’ny fanisam-bato natrehan’ny be sy ny maro ihany no tsy maintsy havoaka amin’ny famoahana ny vokatra vonjy maika ; hoy hatrany izy. Tsara ihany koa ny manamarika fa efa tokony nanana ny delegeny tsirairay avy isaky ny biraom-pifidianana ireo kandida. Izy ireo no afaka mijery izay tsy fahatomombanana sy manao ny fampitahana. Azony atao ihany koa ny manao fampitahana na ny « confortation » eny anivon’ny CENI.