Fambolena : Masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo ary ovy; entina hanampina ny vary ho amin’ny fanjarian-tsakafo
Tanterahina eto Antananarivo, mandritra ny telo andro, mifarana amin’ity anio ity ny atrikasa entina hampitomboana ny masomboly katsaka, tsaramaso, mangahazo ary ovy. Tafiditra ao antin’ny tetikasa FOOD SEC Sémence izany. Entina hampitomboana ny famokarana ireo masomboly ny tanjon’ny atrikasa. Ireo masomboly kosa dia entina hanampiana ny masomboly vary amin’ny fanjarian-tsakafo.
Masomboly voamarina sy tsara kalitao
Mandray anjara amin’ny fanatrarana ny tanjona amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izay tanjona napetraky ny Fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Ministeran’ny fambolena sy ny fiompiana ny famokarana ireto masomboly ireto. Isan’ny tompon’antoka iray amin’ny fampitomboana ny famokarana ara-pambolena ny masomboly voamarina sy ara-kalitao ao anatin’izany. Amin’izao fotoana izao dia efa mandroso ny fikarohana sy fanadihadiana momba ny famokarana ireo masomboly efatra ireo. « Hatreto aloha, ny fandrosoana amin’ny fikarohana dia nahafahana namokatra karazana ovy mahatohitra ny aretina, karazana katsaka mahatohitra ny fiovaovan’ny toetr’andro toy ny tsy fahampian’ny orana. Eo ihany koa ny karazana tsaramaso manankarena otrikaina, ary karazana mangahazo manana vokatra ambony kokoa », hoy ravelomanantsoa Santra Herilalaina, Tompon’andraikitry ny FOOD SEC eto Madagasikara. Marihina fa ny Foibem-pirenena momba ny fikarohana ampiharina amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra (FOFIFA) no rafitra ara-panjakana mandray anjara betsaka amin’ny famokarana ireo masomboly ireo. Marihina fa iarahana miasa amin’ny CIRAD ihany koa izany.
Tetikasa FOOD SEC Sémence
Natomboka tamin’ny taona 2021, ny tetikasa Food-sec Semence dia tafiditra ao anatin’ny fandaharan’asa isam-paritra hanohanana ny fanjarian-tsakafo eto amin’ny faritry ny ranomasimbe Indianina. Vatsian’ny Vondrona Eoropeanina miaraka amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina COI izany. Firenena miisa efatra kosa no hampiharana azu dia i Madagasikara, Kaomoro, Maorisy ary Seychelles. Raha ho an’ny Madagasikara manokana dia mpiara-miombon’antoka maro no mandray anjara mivantana ao anatin’ity tetiaksa ity. Anisan’izany ny Fofifa, ny Cirad, ny Ceffel, ny Fifamanor ary ny fikambanan’ny tantsaha samihafa.
Etsy ankilany moa dia nasongadin’ny solontenan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana, nandritra ny lahateniny ny tokony hampihenana ny fiankinan-doha amin’ny masomboly avy any ivelany. Zava-dehibe araka izany, hoy izy, ny hamokarana karazany mifanaraka amin’ireo faritra hiasana eto amin’ny Ranomasimbe Indianina ireo.