• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Drcc Analamanga
Image
Vaovao

Fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina: Niisa 98 ireo fikambanana sy vondrona mpanaramaso

12/12/2024 10:33 © Moov

Isan'ny andro nandrasan'ny vahoaka malagasy fatratra ny andron'ny 11 desambra 2024, Fifidianana Ben'ny tanàna sy mpanolotsaina. Fotoana nanehoan'izy ireo ny safidiny ho an'izay tiany hitondra fampandrosoana mivantana ho azy. Ho fiarovana izay safidim-bahoaka izay indrindra dia niisa 98 ireo mpanaramaso ara-dalàna voarakitra tao amin'ny CENI.

Manerana ny Nosy

Na dia ireo tanan-dehibe aza no tena ahitana olana rehefa fotoam-pifidianana toy izao dia niparitaka manerana ny Nosy ireo mpanaramaso. Tanjona amin'izany ny hisian'ny mangarahara ary mba hiainan'ny Malagasy anaty fahamarinana tanteraka. Manana andraikitra goavana izy ireo araka izany. Izay mety ho endrika tsy fanarahan-dalàna na koa tsy fahatomombanana hita eny anivon'ny biraom-pifidianana dia tsy maintsy raketina an-tsoratra ao anatin'ny taratasy mirakitra ny tsy fanarahan-dalàna na ny fiche des irrégularités. Ao anatin'izany dia anjara andraikitr'ireo delegen'ny kandida sy ireo mpanaramaso fifidianana no mameno izany. Isan'ny manana olona mpanaramaso fifidianana betsaka ny fikambanana SAFIDY. Raha tsiahivina mantsy dia biraom-pifidianana miisa 2.455 miparitaka amin’ny kaominina 205, mandrakotra ny faritra 23 sy distrika 120 eto Madagasikara, no nametrahan’izy ireo solon-tena hanara-maso. Eo ihany koa ny KMF CNOE sy ireo sampana maro samihafa. Niaraka tamin’izy ireo ihany koa ny Etazonia sy Japon, izay mpanaramaso teratany vahiny.

Nitombo ny fitarainana voarain’ny SAFIDY

Raha ho an’ny fikambanana SAFIDY manokana dia naharay fitarainana maro izy ireo tamin’iny fifidianana iny. Izany no tatitra faharoa notanterahin’ny SAFIDY omaly hariva. Tamin’ny fotoana nanaovan’izy ny fanambarana dia nahazo tatitra fanairana miisa 105 tamin’ny alalan’ny laharana maitso ny SAFIDY. Nojerena sy noraisina an-tanana teo anivon’ny sampana mpanamora ny fifandraisana izany. Ireo tranga ireo dia mahaksika ny bileta efa voamarika mialoha, ny fanohitohinana ny fahafahana mifidy. Nisy tamin’izao mpifidy no tsy hita intsony tao anaty lisi-pifidianana. Tafiditra tao anatin’ny fitarainana ihany koa fanetsenam-bato izay miteraka korontana. Ny ankamaroan’ny tranga voaray dia avy amin’ny faritra Analamanga, Alaotra Mangoro, Sava ary Androy. Nanamarika izy ireo fa ny ny sabotsy izao ao amin’ny foiben’ny SAFIDY eny Ambatonakanga ny fanambarana savaranonando momba ny fanarahamaso rehetra momba ny fifidianana kaominaly sy monisipaly.

Lire la suite

Articles Similaires