• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Dgd
Image
Vaovao

Ivato : Volamena 13,86 kg no saika haondrana an-tsokosoko

12/12/2024 08:10 © Moov

Teratany malagasy roa no tratra niaraka tamina "lingots d'or" milanja 13 kilao sy 865 grama, omaly, teny amin'ny Seranampiaramanidina iraisampirenena Ivato.

Nandalo fisavana avokoa ny mpandeha tamin'ny sidina ET 852 nihazo an'i Addis-Abeba. Tsy nisy entana na olona nampiahiahy tamin'izany. Rehefa tafiditra tany amin’ny salle d’embarquement nefa ny mpandeha iray dia nizotra avy hatrany tany amin’ny toeram-pivoahana (toilettes), ary narahin’olona iray. Tsikaritry ny mpiasan'ny Fadintseranana izany ka natao ny fisavàna rehefa nivoaka avy any izy sy ilay olona iray. Tamin'izany no nahatratrarana ireo volamena saika afenin'izy ireo hiakatra ny fiaramanidina.
Nosamborina avy hatrany ireo olona roa, ka tsy afaka nizotra nankany Addis-Abeba. Mbola mitohy ny fanadihadiana hikarohana ireo mpaniraka sy mpiray tsikombakomba amin'izy ireo. Nogiazana ireo volamena tratra.

Fiarovana ny harem-pirenena

Tsy mitsahatra manamafy ny fiarovana ny harem-pirenena ny Fadintseranana Malagasy. Izany indrindra no antony ampiasana fitaovana avolenta eo anivon'ny Seranampiaramanidina iraisam-pirenena. Mampihatra ny fahaiza-manaony manokana ihany koa ireo tompon'andraikitra manara-maso ny mpandeha tsirairay. Tsy ny eny anivon'ny Seranampiaramanidina ihany no tena arahi-maso fa ny eny amin'ny Seranan-tsambo ihany koa. Hentitra ny fadintseranana ny amin'ny fanondranana harem-pirenena isan-karazany, na volamena, na biby arovana na zava-maniry.

Lire la suite

Articles Similaires