• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Météo
Image
Vaovao

Rivodoza Chido : Hikorontana ny toetry ny andro any avaratra manomboka ny 12 desambra

11/12/2024 20:19 © Moov

Hanomboka hikorontana miandalana ny toetry ny andro any amin’ny tapany avaratra manomboka rahampitso alakamisy alina. Ahiana ny tondra-drano sy ny fihotsahan’ny tany amin’ireo toerana marefo any amin’ny faritra Diana sy Sava, satria hitondra rotsakorana betsaka i Chido.

Tamin’ny 03 ora tolakandro teo, tany amin’ny 940 Km atsinanana somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’i CHIDO. Niakatra ho 155 Km/ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 220 Km/ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15Km/ora.

Rivodoza mahery vaika

Handravarava ny faritra avaratra sy avaratra atsinanana iny i Chido. Tombanana hitombo hery hatrany izy ka mety ho lasa rivodoza mahery vaika anio alina na rahampitso Alakamisy 12 desambra. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivodoza ity ny Zoma 13 Desambra ho avy izao amin’ny tanjaka Cyclone Tropical.

Filazana loza

Lasa roa ny filazana loza, dia maitso sy mavo.
-Mavo (Loza manambana) : ny faritra Diana sy ny Distrikan’i Vohemar;
-Maitso (Fanairana) : ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny, Analalava, Sambava, Antalaha ary Andapa.
Tombanana hahatratra 8 metatra ny hahavon’ny onja amin’ny morontsiraky Vohemar sy Antsiranana I-II, ka hiteraka fiakaran’ny ranomasina amin’ireo toerana mora tondraka. Iangaviana ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Analalava sy Cap d’Ambre, ary Cap d’Ambre sy Sainte-Marie mba tsy hiandriaka intsony manomboka rahampitso Alakamisy.
Entanina ny rehetra mba hanaraka mandrakariva ny toromarika omen’ny manam-pahefana isan-tokony, mba hiarovana ny aina sy ny fananana, araka izay azo atao.

Lire la suite

Articles Similaires