• Cours de change
  • 5185.74 AR
  • |
  • $4436.88 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Fiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro : Mitaky tohana ara-bola betsaka kokoa ireo firenena marefo

11/11/2024 16:46 © Moov.Mg

Nisokatra tamin’ny fomba ôfisialy androany 11 novambra 2024, tany Baku Azerbaïdjan, ny Fihaonambe iraisam-pirenena faha-29 mahakasika ny fiovan'ny toetr’andro, na COP29. Manana solon-tena mandray anjara amin’izany i Madagasikara, noho isika iray amin’ireo firenena 197 mpikambana ao anatin’ny fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny fiovan’ny toetr’andro (CCNUCC).

Fanampiana ara-toekarena

Sokajiana ho « COP momba ny famatsiam-bola » ity fihaonana an-tampony faha-29 ity, ka tanjona lehibe mandritra ny fihaonana ny hamaritana ny fanampiana ara-toekarena avy amin’ireo firenena mandroso, ho an’ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara, izay tsy dia tompon’antoka loatra amin’ny fiovan’ny toetr'andro, nefa mizaka ny mafy indrindra amin’ny voka-dratsin’izany no sady tsy manana ny ho enti-manana hiatrehana izany. Tsiahivina fa efa nisy ny fifanarahana teo amin’ireo firenena mandroso, ny amin’ny hanangonana 100 miliara dolara isan-taona, nanomboka tamin’ny 2020 ka hatramin’ny 2025, mba ho fanampiana ireo firenena an-dalam-pandrosoana hiatrika ny fiovan’ny toetr’andro. Tsy tratra anefa izany tanjona izany talohan’ny taona 2022. Ankehitriny dia mitaky ny hisondrotan’izany teti-bola fanampiana izany ho an’arivony miliara isan-taona ireo firenena sahirana, saingy sarotra izany, hoy ireo Tandrefana.

Fikaroham-bahaolana

Vao nanomboka ny fotoam-panokafana ity COP29 ity dia efa nivoitra sahady, ny momba izany tohana ara-toekarena izany. Fanampiana an-jatony miliara no andrasana, hoy ny filohan'ny COP29 sady minisitry ny tontolo iainana ao Azerbaijan, Moukhtar Babaïev, nandritra ny lahateniny. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, ny fifanarahan’i Paris, izay manentana ny firenena rehetra mba hampitombo ny ezaka ho amin'ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fanohanana ara-bola ireo firenena marefo manoloana ny fiovan'ny toetr'andro. Nilaza kosa ny tale mpanatanteraky ny Climate Action Network (CAN), Tasneem Essop, avy any Afrika Atsimo, fa tsy hiala eo amin'ny COP raha tsy miakatra araka ny tokony ho izy ny famatsiam-bola ho an’ireo firenena marefo, satria manana trosa ara-tontolo iainana ireo firenena mandroso.

Tsiahivina fa natao ho fikaroham-bahaolana mahakasika ireo asa entina miady sy miatrika ny fiovan'ny toetr’andro atrehin'izao tontolo izao, ny COP29. Nanamafy ny paikady ireo delegasiônina malagasy, amin’ny fiatrehana ireo karazana fihaonana an-tampony momba ny tontolo iainana, ka miezaka mametraka an’i Madagasikara ho firenena vahaolana, manoloana ireo olana atrehin’ny maneran-tany.

Lire la suite

Articles Similaires