• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtmm
Image
Vaovao

Antananarivo : Hametraka paikady hanatsarana ny fifamoivoizana ny Kaominina

11/09/2024 09:34 © Moov

Miverina indray amin’izao fotoana izao fidiran’ny mpianatra izao ny fitohanana lavareny na aiza na aiza aleha eto Antananarivo Renivohitra. Izany indrindra no nahatonga ny fihaonan’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, Ramonjavelo Valéry tamin’ny Filohan'ny Delegasionina manokan'ny tanànan'Antananarivo (PDS), Ramanantsoa Harilala ; teraka tao anatin’izany fa tsy maintsy hatsaraina ny fifamoivoizana eto amin’ny Renivohitr’i Madagasikara.

Fitaterana amin’ny endriny rehetra

Anatin’ny fametrahana ny fanatsarana ny fifamoivoizana dia tsy maintsy ho jerena akaiky ny momba ny fitaterana amin’ny endriny rehetra misy eto Antananarivo. Tafiditra ao anatin’izany ny kodiarandroa, na ho an’ireo fiara, indrindra fa ho an’ireo mpandeha tongotra. Hojerena ao anatin’izany ny sehatry ny Aro lozan’ny fifamoivoizana sy ny fandrindrana ny fitaterana. Isany paikady entina hanatsarana izany ny fanatanterahana ireo sosokevitra naroso nandritra ny atrikasa niarahana tamin'ny Codatu, momba ny fanatsarana ny fitaterana eto amin’ny tananan’Antananarivo, ato anaty fotoana fohy. Raisina ho laharam-pahamehana ohatra ny fanatsarana ireo tobim-piantsonana sy ny fametrahana ireo fiara fitateram-bahoaka ho matihanina, tafiditra anatin’izany ireo “Taxi-moto”. Hatao indrindra izany mba hialana amin’ny fitohanana lavareny izay miseho amin’izao fotoana izao. Anisan’ny tafiditra ao anatin’ny programan’asan’ny PDS vaovao rahateo ny fandaminana io fifamoivoizana io ka vahaolana haingana no andrasana amin’izany.

Tetikasa lavitr’ezaka

Isan’ireo vahaolana efa nojerena ihany koa ireo tetikasa lavitr’ezaka ho ezahina tratrarina ary misy ireo efa andalam-panatanterahana. Ao anatin’izany ny fampiasana “Taxi-moto électrique” izay sady hiarovana ny tontolo iainana ihany koa. Hanampy ireo mpamily « taxi-moto » amin’ny asany rahateo. Eo ihany koa anefa ireo tetikasa goavana roa izay napetraky ny fitondram-panjakana entina amahana ny fitohanana eto an-drenivohitra. Ny tetikasa fitaterana an-tarobia (TPC) sy ny Tetikasa fitaterana an-dàlamby an-drenivohitra (Projet Train Urbain) izany. Ny Kaominin’Antananarivo Renivohitra moa izay isany mpiara-miombon’antoka amin’ny fitantanana izany tetikasa izany. Mbola lava ny lalana ho diavina amin’ny fampiasana ireo fitaovana ireo saingy efa andalana kosa anefa izany. Tsy maintsy hisy ny fiaraha-miasan’ny Ministera sy ny Kaominina amin’izany. Tsy maintsy mbola hisy araka izany ny atrikasa ho fandrindrana ireo teboka rehetra tsy maintsy hapetraka ho fanatsarana ny fifamoivoizana eto Antananarivo.

Lire la suite

Articles Similaires