• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Studio D.Mix
Image
Vaovao

Nodimandry i Fanaiky, kintan’ny fitendrena gitara beso eto Madagasikara

10/09/2024 16:46 © Moov

Maro ny zava-bitan’i Fanaiky tao anatin’ny kanto. Mpikambana tao amin'ny tarika SOLOMIRAL, mpanakanto, mpamoron-kira, mpandrindra feo ary mpanoratra ihany koa ny tenany.

Lasa ny andrarezin'ny fitendrena gitara beso, Rasolomahatratra Ny Herivelona Fanaiky, fantatry ny maro amin'ny anarana hoe : Fanaiky. Efa nosalorana ny mariboninahitry ny kanto, ny soratra ary ny kolontsaina (commandeur de l’ordre des Arts, des Lettres et de la Culture) izy fony fahavelony. Tanora vao erotrerony izy dia efa niaina tao anatin'ny tontolon’ny mozika. Tamin’ny faha 8 taonany no nanomboka nianatra gitara i Fanaiky. Lehibe tao anatin’ny fianakaviana tia mitety toerana izy, ary izany no isan’ny nahafahany nandray ireo gadona malagasy isan-karazany manerana ny Nosy. Mpitendry mozika « Jazz », raha ny tena fahafantaran'ny maro azy. Mampiavaka ny mozika tendreny kosa ny fitazonany ilay gadona gasy mifangaro gadona hafa. Ny fitendrena gitara beso no tena nahasarika azy tamin’ny fahavelony ary izany no tena nampisongadina azy tao anatin’ny tontolon’ny Jazz teto Madagasikara.

Fanaiky sy ny gitara beso

Tamin’ny taona 1986 no nanangana ny tarika SOLOMIRAL i Fanaiky sy ny rahalahiny. Taona maro kosa no nijanonany tao anatin’izany tarika izany ary naha mpitendry gitara beso sy mpandrindra hira azy. Efa niara-niasa tamin’ny mpanakanto eo amin’ny sehetra iraisam-pirenena maro i Fanaiky, toa ny SIXUN, Didier Lockwood, Horacio Hernández… Teo ihany koa ireo artista malagasy toa an-dry Jaojoby, Regis Gizavo, Njava sy ireo maro hafa. Namela mamy teo amin’ny tontolon’ny mozika malagasy teto an-toerana hatrany ivelany i Fanaiky. Nitety tany maro izy nizara izay mozika « Jazz malagasy » izay, tany Eropa, Amerika, ary Afrika. Ny zoma 6 septambra teo no nanao fampisehoana farany, fankalazana ny faha-37 taona niakarany an-tsehatra izy, sady fanolorana ny raki-kira vaovaony, tao anatin’ny « i-Jazz festival », tao amin’ny Ivokolo Analakely. Mbola tokony handray anjara amin’ny seho an-tsehatra miaraka amin’ny artista maro ao anatin’ilay hetsika « Angaredona » ihany koa i Fanaiky. Rehefa nandalo tsy fahasalamana, nandritra ny fotoana maro kosa izy dia izao lasa nandao ny tontolon’ny kanto izao. Miondrika ny angolam-beso ankehitriny fa mijanona kosa ny asany, ny mozikany sy ny tantarany.

Lire la suite

Articles Similaires