• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Primature- Lapan'I Mahazoarivo
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa : Tsy manaiky ny fahatarana amin’ny fanamboaran-dalana rehetra ny Praiminisitra

10/09/2024 16:35 © Moov

Nihaona maika tamin’ny Praiminisitra ny Tompon’andraikitra avy ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy. Notarihin’ny Minisitra Andriamatoa Rafidison Richard Théodore izy ireo. Nandritra izany no nanambaran’ity Lehiben’ny Governemanta ity fa tsy ekena ny fahatarana amin’ireo asa fanamboaran-dalana rehetra manerana ny Nosy.

Hafainganina ny fampitaovana

Nanome baiko ireo Tompon’andraikitra ao amin’ny Ministeran’ny asa vaventy ny Praiminisitra. Tsy azo ekena velively ny mahita ireo orinasa mahazo tsenam-barom-panjakana amin’ireo asa lalana ireo kanefa tsy afaka miasa noho ny tsy fisian’ny fitaovana azo ampiasaina ka miteraka fahatarana goavana amin’ny fanombohana ny asa. « Tsy tokony misy ny kiantranoantrano na tandrevaka amin’ny fanaraha-maso ataon’ny tompon'andraikitra ao amin’ny ministera na eo amin’ireo tetikasa vatsian’ireo mpiara-miombon’antoka ka mitarika amin’ny fahatarana goavana eo amin’ny fanatanterahana ny asa », hoy hatrany i Ntsay Christian tamin’ireto Tompon’andraikitra ireto. Mahakasika manokana ireo fanonerana ny « libération d’emprise » amin’ny lalampirenena rehetra eto amintsika ka miteraka sarany mihoampampana dia efa nisy ny fanapahankevitra teo amin’ny Filan-kevitry ny Minisitra mahakasika an’io toe-javatra. Nohamafisiny ihany koa ny tokony hampiarana izany.

Lalam-pirenena rehetra

Nojerena ihany koa ny mahakasika ireo asa fanarenana sy asa fanamboarana ireo lalam-pirenena ka anatin’izany ny RN2, RN4, RN6, RN7, RN5, RN3A (hatrany Andilamena). Nodinihina manokana ny tokony hanombohana fara-fahaingana ny asa fanamboarana ny RN10 sy ny RN31 ary ny tokony hojerena indray ny fe-potoam-panatanterahana azy. Ankoatra izay, noresahana ny mahakasika ireo asa lehibe efa mandeha amin’izao fotoana izao, toy ny RN13, RN12A, RN6 (Ambanja # Antsiranana), RN44 ary ny RN5 (Soanierana Ivongo # Vahibe, Mananara). Mahakasika manokana ny RN6, nohamafisina ny tokony hanombohan’ny asa fanadihadiana mahakasika ny fametrahana tetezana vaovao ao Ifasy sy Mahavavy. Tokony hapetraka alohan’ny faran’ny volana novambra ho avy izao ny bacs anankiroa eo amin’ireo renirano ireo. Tsy misy araka izany ny andraso andraso fa hafainganina avokoa ny fanatanterahana ireo asa rehetra manerana ny Nosy. Raha tsiahivina dia efa vonona avokoa ny enti-manana amin’izany. Etsy andaniny, nisy ny fandinihana mahakasika ny tokony hanaovana na hanafainganana ny asa eo amin’ny RN3B, RN6 (Ambondromamy # Ambanja), RN19, RN34, RN35, RN41, RN42, RN31A, RN32, RN27, RN8Bis, RN11 (Mananjary # Nosy Varika), RN20 (Ilaka Est # Antanambao Manampotsy), RN23A (Moramanga # Anosibe An’Ala), R11A (Mahanoro # Marolambo), RN1Bis, RN22, RN25, RN33B, RN14. Nanome toromarika mazava ny Praiminisitra amin’ny tokony hanarenana ireo lalam-pirenena rehetra ireo ao anatin’ny fotoana haingana.

Lire la suite

Articles Similaires