• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Adn Telma
Image
Vaovao

Kolontsaina : Miverina indray ny Festival Angaredona, hitondra zava-baovao ho an’ireo mpankafy

10/09/2024 16:04 © Moov

Niato tao anatin’ny taona maromaro ny Festival Angaredona noho ny antony maro samihafa. Hiverina indray ity hetsika ho an’ny mozika miaina ity ny 21 sy 22 septambra ho avy izao. Tanterahina eny Ambatondralambo, ao amin’ny Naturia Palm, PK19 RN3 izany miaraka amin’ny zava-baovao maro be. Miara-miasa amin’i Rajery, izay mpamorona ny hetsika ny Telma Madagasikara, ny Canal+, ny orinasa Star, ny Talenta Production sy ireo orinasa maro hafa.

Hiavaka noho ireo teo aloha rehetra

Miverina eto Antananarivo ny Festival Angaredona izay notanterahina tany Toamasina ny farany. Saika nentina manerana ny Nosy ny hetsika no izao miverina eto amin’ny renivohitr’i Madagasikara izao indray. Isan’ny hampiavaka ny hetsika izany amin’ity taona ity raha ny fanazavan’ny mpikarakaraka. Nanapakevitra rahateo izy ireo fa hajanona eto Antananarivo amin’izay ny hetsika manomboka izao. Etsy andaniny dia mbola kalitao ihany koa no miandry ireo mpanatrika amin’ireo karazana mpanakanto nosafidiana. « Raha ny mahazatra dia tonga hatramin’ny 40 ireo mpanakanto mandray anjara. Amin’ity taona ity izy nahena saingy ny kalitao kosa no hamafisina. Mafimafy ny fisafidianana ireo mpanakanto ireo ary nandalo sivana goavana izy ireo tao anatin’izany », hoy i Rajery, mpikarakara ny hetsika. Mbola hanamarika ity andiany faha-18 ity ihany koa ny firaiketam-peo sy sary ny hetsika rehetra ary haparitaka maneran-tany mba ho fantatry ny rehetra ny karazana kolontsaina misy eto Madagasikara.

Hizara roa ny hetsika

Ankoatra ireo roa andro lehibe izay hiainana ireo mozika miaina ireo dia hisy ny hetsika lehibe izay hanohanana ny Festival Angaredona ny andro mialohan’io. « Hanomana seho izaho sy Mbola Talenta ny 20 septambra izao izay hisy vidim-pidirana ho fanohanana ny hetsika. Tsara ny manamarika mantsy fa maimaimpoana hatrany ny Angaredona hatramin’izay. Ankoatra izay dia hisy vidim-pidirana 10 000 ariary ihany koa ireo roa andro hafa », hoy hatrany i Rajery. Ireo roa andro ireo izay ahitana ny fahaizan’ireto mpanakanto miisa 18 amin’ny mozika miaina. Notsongaina tao anatin’izany i Zandry gasy, Mashmanjaka, Lico Kininike, Antsabey, Or'Maroloko, Madafeo, Berthon Valiha, Faby Bemalaky, ZMG, Stéphanie, Feokanto, Rajery, Vetsonkira, Fidy Razamiaro, Mpamanga, Naïnako, Tahina Carine, ary i Beauzaka. Ireo mpikalo mozika ireo izay hivoy ny karazana kolontsaina rehetra misy eto Madagasikara ao anatin’ny Festival iray tokana.

Lire la suite

Articles Similaires