• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Medd
Image
Vaovao

Tontolo iainana : Nomena fiofanana ireo teknisianina hiatrika ny COP

10/09/2024 14:44 © Moov.Mg

Te hipetraka ho « firenena vahaolana » i Madagasikara, amin’ireo karazana adihevitra ifanaovan’ny firenena maro, mandritra ireny fihaonana an-tampony ho an’ny tontolo iainana ireny. Mba tena hahatanteraka izany dia nomena fiofanana ireo mpanao adisisika malagasy hanatrika ny COP momba ny fifanarahan’i Rio.

Fifanarahana telo

Miisa telo, raha tsiahivina, ireo karazana fifanarahana ao anatin’ny Fifanarahan’i Rio : Fifanarahana momba ny fiovan’ny toetr’andro ; Fifanarahana fiarovana ny karazanjavamananaina ; ary ny Fifanarahana hiadiana amin’ny fihangazanan’ny tany. Lohahevitra samy mahakasika mivantana an’i Madagasikara avokoa ireo, ka tena zava-dehibe ho an’ireo izay hanatrika ireo fihaonana an-tampony iraisam-pirenena (COP) miisa telo, ny mampitovy fijery, miray feo, sy mahafehy ireo teknika fandresen-dahatra. Izany dia mba tena hahafahana manoso-kevitra, ho fiarovana sy ho fampiroboroboana ny tontolo iainana eto Madagasikara. Tanjon’ny ministeran’ny Tontolo Iainana sy ny Fandrosoana Lovainjafy rahateo ny hanamafy sy hanatsara ny toerana misy an’i Madagasikara amin’ireo adisisika iraisam-pirenena mahakasika ny tontolo iainana. Araka izany, nomena fiofanana mandritra ny 5 andro ireo teknisianina handray anjara amin’ny adisisika, mandritra ny COP.

Fanamafisana fahaiza-manao

Fiaraha-miasa amin’ny Masoivoho Britanika eto amintsika izao fiofanana izao, izay nanolotra manam-pahaizana iraisam-pirenena manatanteraka ny fampiofanana. Tanjona ny hifehezan’ireo teknisianina ireo karazana paikady fiatrehana adisisika, ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’izy ireo ary ny fomba fametrahana tambazotra iraisam-pirenena hanamorana ny adisisika. Izany rehetra izany dia hahafahana miady ny tombotsoan’i Madagasikara, manoloana ireo firenena maro manerana izao tontolo izao, mba tena hitondra vahaolana tokoa isika, ho an’ny firenena sy ho an’ny Tontolo iainana maneran-tany mihitsy.

Lire la suite

Articles Similaires