• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Corps Des Sapeurs Pompiers Cua
Image
Vaovao

Antananarivo : Miisa 7 ny fahamaizana omaly alatsinainy, « alatsinainy mainty » hoy ireo Mpamonjy voina

10/09/2024 14:32 © Moov

Ambodivona, Soarano, Ambohimanarina, Alasora, Andravoahangy, Ampasika, Andralanitra ; nahitana firehetana avokoa ireo toerana fito ireo ny andron’ny omaly alatsinainy. Tao ny hain-trano, indrindra ireo toeram-pivarotana, tao anatin’izany ihany koa ny doro tanety. Mafimafy ny asan’ireo Sampana Mpamonjy voina tao anatin’izany, hoy izy ireo.

Alatsinainy mainty

« Lundi noir », izay no namaritan’ireo mpamonjy voina ny andron’ny omaly na dia noraisina toy ny vazivazy aza izany. Maro loatra mantsy ireo fahamaizana niseho teto Antananarivo raha ny tapak’andro maraina fotsiny izany. Tamin’ny 8 ora sy sasany maraina teo ho eo no nisy niantso ny Mpamonjy Voina eo Tsaralalana momba ny fahamaizana teo Soarano. Mbola tsy afaka teo izy ireo dia nantsoina indray ho any Andravoahangy, izay nahitana fahamaizana tranom-barotra ihany koa. Manaraka izany ny firehetena teny amin’ny Fakon’Andralanitra ary ny doro tanety teny amin’ny faritra Alasora. Mbola tsy tapitra teo anefa izany fa efa nisy niantso indray noho ny fahamaizana trano teny Ampasika. Izany no rotoroton’ireo sampana mpamonjy voina raha ny andron’ny omaly iny. Etsy andaniny anefa dia voafehy avokoa izany afo izany. « Misy toerana somary sarotra ny fifehezana ny afo saingy ampy ny fitaovana sy ny olombelona miasa ka voafehy ara-potoana avokoa izany rehetra izany », hoy ny Commandant Ralaivaonoro Eric, Chef de Corps des Pompiers eo anivon’ny Caserne Tsaralalana.

Mila manara-dalàna

Raha ho an’ireo tranom-barotra lehibe izay nahitana firehetana teo Soarano sy Andravoahangy dia ny tsy fanarahan-dalàna no tena hita nibahana tao amin’izany. « Tokony handalo ny sampana mpamonjy voina avokoa ny fananganana trano indrindra ny tsena toy izao mba hahafahana mijery hoe manaraka ny fenitra ve ny fiarovana amin’ny mety ho hain-trano », hoy hatrany ity Tompon’andraikitra ity. Raha tsiahivina mantsy dia olana teo amin’ny herinaratra mifangaro no nahatonga ny firehetena teo Soaranao. Nahitana fahasimbana entana hatramin’ny 80% tamina efitrano fivarotana miisa 4 izany. Io fanaraha-dalàna io irery araka izany no torohevitra avy amin’ireo Sampana mpamonjy voina raha ho an’ny fananganana trano lehibe toy izao. Ny fitandremana kosa no tokony hataon’ny isan-tokantrano.

Lire la suite

Articles Similaires