• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mpeb
Image
Vaovao

Tetikasa Fandroso : Mpisitraka aman’arivony tao amin’ny Faritra Anosy notolorana tohana ho amin’ny fihariana

10/09/2024 12:25 © Moov

Nidina tany amin’ny faritra Anosy ny Minisitra Mahatante Paubert, Minisitry ny jono sy ny toe-karena manga ary ny Minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Hajarison François Sergio. Ao anatin’ny fanatanterahana ny Tetikasa Fandroso izay vatsian’ny Fonds de Développement Agricole (FDA) vola izany. Mpamboly, mpiompy, ary mpanjono aman’arivony no nahazo fampitaovana tao anatin’izany.

Fitaovana fiasana

Ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny Fitondram-panjakana, indrindra fa ny fijerena ny maha olona, izay misy fiantraikany avy hatrany amin’ny ativilanin’ny vahoaka dia nidina ifotony nanolotra fitaovana ny Minisitry ny Jono sy ny Toekarena Manga. Ho an’ireo mpanjono ao Ambinanibe, Taolagnaro dia fitaovana entina manjono no notolorana azy ireo. Lakana vita amin’ny « fibre de verre » 10 ary ahitana « système de flottaison » ary maivana kanefa mahazaka olona 04 sy vokatra 300kg ary « moteur hors-bord » iray no nozaraina tamin’izany. Miampy harato 100 ary salotra vonjy aina 30 sy fitaovana fiompiana trondro toy ny pompe à eau, aérateur sy tête de diffuseurs. Mpisitraka 125 avy amin’ny Kaominina Taolagnaro, Soanierana ary Analapatsy no misitraka izao fampitaovana izao.

Tantsaha mpamokatra

Ankoatra izany dia manohana ny fambolena sy ny fiompiana ihany koa ny FDA. Fikambanana tantsaha mpamokatra miisa 8, ao amin’ny kaominina Ranopiso, Distrikan’i Taolagnaro hatrany no nozaraina hanam-pamokarana. Ahitana mpamokatra manodidina ny 920 eo no nisitraka hanam-pamokarana avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana, tamin’ny alalàn’ny FDA. Tao anatin’izany ny Motoculteur miaraka amin’ny remorque miisa 4 ; angadin’omby miisa 40 ; sarety miisa 7 ; arrosoir 28 ; motopompe 2 ; herse ; ary masomboly katsaka sy tsaramaso. Ity asa ity indray dia tafiditra ao anatin’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, dia ny fampiakarana ny voka-bary sy ny fampivoarana ny Famokarana na ny "Transformation Agricole" izany. Marihina moa fa ny FDA dia manohana ara-bola ny mpamokatra eny ifotony ao anatin’ny faritra 23.

Lire la suite

Articles Similaires