• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Prm
Image
Vaovao

Fampianarana : Mbola maro ireo mpianatra tsy nahafeno ny saram-pisoratana anarana sy ny fitaovam-pianarana

10/09/2024 09:22 © Moov

Nanomboka omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pianarana 2024-2025, indrindra ho an’ireo mpianatra amin’ny sekolim-panjakana. Efa nisy nanomboka izany kosa ireo sekoly tsy miankina ny herinandro lasa teo raha mbola misy ihany koa ny herinandro ho avy izao. Natomboka ny fampianarana na dia mbola maro aza ireo mpianatra no tsy nahafeno ny fitaovana sy ny saram-pisoratana anarana ho an’ny sekoly tsy miankina.

Fahasahiranana

Mbola maro ireo Ray aman-dReny tsy nahavita ny fisoratana anarana ny zanany any amin’ireo sekoly tsy miankina noho ny fahasahiranana. Maro ireo sekoly tsy miankina araka izany no nametraka lamina vaovao mba hahafahana mandray sy mampiditra mianatra ireo mpianatra rehetra. « Efa niditra ny 3 septambra lasa teo izahay. Voatery natsahatra kely izany mba hahafahana miandry ireo mpianatra mbola tsy nahafeno fitaovana sy vola saram-pisoratana anarana. Araka izany dia mbola mitohy hatrany ny fisoratana anarana mba hahafahana mandray ireo mpianatra ireo », hoy ny Talen-tsekoly tsy miankina iray etsy Anosipatrana. Ao anatin’izany dia antsoina ireo Ray aman-dReny mba hifampiresaka amin’ny Sekoly amin’ny fandoavana ireo vola samihafa. Mbola maro ireo sekoly no mbola manana toerana malalaka betsaka afaka mandray ireo mpianatra hafa rehetra. Etsy ankilany dia nanamafy ny Sekoly tsirairay fa tsy maintsy hatomboka ny fampianarana na dia mbola mora aza ireo mpianatra mbola tsy ampy fitaovam-pianarana. Hatao izany mba hahafahana manatratra ny tetiandro napetraky ny Fanjakana.

Hipoka ny sekolim-panjakana

Ankoatra ireo olana amin’ny sekoly tsy miankina samihafa ireo anefa dia tsara ny zavatra hita eny anivon’ireo sekolim-panjakana. Raha tsiahivina mantsy dia nanambara ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena fa maimaim-poana ny fampidirana mpianatra eny amin’ireto sekoly ireto. Mbola tsy maintsy mandray ireo mpianatra sahirana ihany koa izy ireo ary maimaimpoana. Vokatr’izany, hipoka ny sekolim-panjakana tamin’ny fidiran’ny mpianatra tamin’ity taona ity. Misy amin’ireo sekoly no tsy maintsy nametra ny isan’ny mpianatra noraisina ka mbola misy ihany ireo voatery tsy afaka nianatra. Araka izany, mbola misy ireo olana tokony vahana miaraka amin’ny fanaovana ho maimaimpoana ny fampidirana mpianatra. Ao anatin’izany ny fampitomboana ny fotodrafitrasa sy ny fandraisana ireo mpampianatra ho mpiasam-panjakana mba hampihena ny vola tokony aloha.

Lire la suite

Articles Similaires