• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mjs
Image
Vaovao

Fotodrafitrasa: Efa vita ny maherin’ny 90% amin’ny “gros oeuvres” ao amin’ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ao Mahajanga

09/09/2024 16:39 © Moov

Nanatanteraka fidinana ifotony hitsirihana ireo foto-drafitrasa ara-panatanjahantena tany Mahajanga ny delagasionan'ny Minisiteran'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay notarihin’ny Minisitra Marson Moustapha Abdulah, ny sabotsy lasa teo. Nandritra izany no nanomezany toky ireo mponina tao Mahajanga ny amin’ny tsy maintsy hahatanterahan’ny asa; izy rahateo mponina avy any an-toerana.

Kianja mitafo

Namerina ny fisaorana ny Filoham-pirenena ny tenany satria dia tsy natao ambanin-javatra ny mponin'i Mahajanga fa tafiditra ao anatin’ireo Faritra voafidy hisantarana ny fametrahana ireo kianja mitafo manara-penitra izay mahazaka mpijery manodidina ny 4000 izy ireo. Mahakasika ity kianja mitafo ity dia ny 97% ny asa lehibe na ny « gros œuvres » no efa tontosa raha 10% kosa ny asa famaranana. Tafiditra anatin’izany ny fanomezana endrika ivelany ny kianja amin’ny alalan’ny haingo sy izay mahatsara azy. « Vinavinaina ho vita ao anatin’ny 5 hatramin’ny 6 volana eo ny famitana tanteraka ity foto-drafitrasa ity satria miara-mandeha ny asa rehetra mahakasika azy amin’izao », hoy ny Minisitra. Marihina moa fa ahitana « vestiaires » natokana ho an’ny atleta, ho an'ny mpitsara, ho an'ny lafiny fitsaboana ary efitra ho an'ny ady amin'ny fampiasana "dopage" ity kianja mitafo ity. Etsy andaniny dia manana efitra lehibe ihany koa ahitana ireo fitaovana fanamafisana sy fikoloana hozatra na ny « salle de musculation » izy. Ao anatiny ihany koa ny efitra malalaka ambany « gradin » afaka atao efitra fitahirizina sy fanatobiana entana na fitaovana ara-panatanjahantena. Etsy ankilany anefa dia mbola misy ireo asa hafa mety hanampy ireo efa voaomana.

Dobo filomanosana

Manana dobo filomanosana roa ny ao an-toerana ka ny voalohany mirefy 50m izay natao handraisana fifaninana ary ny faharoa mirefy 25 m natokana hanaovana fanazaran-tena. Amin’izao fotoana izao dia efa mandeha ihany koa ny fanamboarana dobo hafa vaovao mirefy 50m. Nandalo nijery izany ihany koa ny Minisitra. Araka ny hita teny an-toerana dia mandroso tokoa ny asa fanamboarana ka vinavinaina ny hahavita izany ny faran'ny volana desambra 2024 ity. Efa ny 95% ny asa vaventy na ny « gros œuvre » mantsy izao no efa vita ary 15% kosa ny asa famaranana. Efa tsy misy intsony ny andrasana fa efa any an-toerana avokoa ireo fitaovana rehetra hanatanterahana ny asa. Tsara ihany koa ny mampatsiahy fa mahazaka mpijery miisa 1000 ity foto-drafitrasa napetraka ity.

Lire la suite

Articles Similaires