• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Meh
Image
Vaovao

Angovo azo havaozina : Vehivavy teknisianina amin'ny fikirakirana fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro 15 vonona hiantsehatra

01/08/2024 14:03 © Moov

Namoaka mpiofana vaovao indray ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo. Vehivavy teknisianina amin'ny fikirakirana fitaovana mandeha amin'ny herin'ny masoandro, na antsoina maneran-tany hoe : "Femmes Ingénieures Solaires" (FIS) miisa 15 no navoaka tamin’ny fomba ofisialy omaly. Ao amin’ny andiany Miavotra izy ireo.

Fiofanana naharitra efa-bolana

Naharitra efatra (4) volana ny fiofanana. Izao dia vokatry ny fiaraha-miasan’ny Fanjakana amin’ny sehatra tsy miankina na 3P. Mpiara-miombon'antoka ny "Barefoot College Madagascar" (BC Madagascar) izay notohanan’ny WWF. Marihina anefa fa ireto vehivavy amin'ny andiany Miavotra ireto, dia avy amin'ny Faritra maro manerana an'i Madagasikara, anisan’izany Diana (Andiko, Antsotsomo, Ankovana), ary Atsimo Andrefana (Besambay). Antony iray lehibe nanofanana ireto vehivavy ireto ny hanomezana tan-tsoroka azy ireo ho fampivoarana ny fiainany. Tanjona lehibe ao anatin’izany ny fampandrosoana ny Firenena amin’ny alalan’ireo fahaizan’ireto vehivavy ireto. Nanamarika moa ny avy ao amin’ny Ministeran’ny angovo sy ny akoran’afo izany fa natao indrindra ao anatin’ny fandaharan’asa ho fampisitrahana herinaratra ho an’ny daholo be, indrindra ny tontolo ambanivohitra ity fampiofanana ity. Araka izany, ireto vehivavy ireto dia afaka hiasa amin’io sehatra io ary hitondra ny fahazavana eny amin’ny tontolo misy azy tsirairay.

FIS miisa 744 hatramin’ny 2030

Vina ny hanatrarana 744 ny isan'ireo FIS tokony hivoaka avy eto Tsiafajavona hatramin' ny taona 2030. Ity toerana ity moa no nampiofana ireto vehivavy ireto nandritra ilay efa-bolana izay hita ao Tsiafajavona Ambatolampy. Afaka hampisitraka herinaratra avy amin'ny angovo madio ho an'ny tokantrano miisa 630.000 eto Madagasikara ity tetikasa lehibe ity. Marihina fa efa maneran-tany amin’izao fotoana izao no misy ity fampiofanana ny vehivavy ity. Tamin'ny taona 2012 no nivoaka ny andiany voalohany tany Inde. Tany an-toerana hatrany ihany koa no nanaovana ny fiofanana hatramin' ny taona 2018.
Tonga nanotrona ny lanonana famoahana azy 15 FIS ireto moa ny lefitrin'ny Ben'ny Tanànan'ny Kaominina Ambanivohitra Tsiafajavona. Hita tany an-toerana ihany koa ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny eo amin'ny Ministeran'ny Angovo sy Akoranafo, ny avy amin'ny Ministeran'ny Mponina sy ny Fiahiana ara-Tsosialy, ireo mpikambana eo anivon'ny Filan-kevim-pitantanana an'ny Barefoot College Madagascar, ary ny solontenan'ny mponina

Lire la suite

Articles Similaires