• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mtp
Image
Vaovao

Faritra Atsinanana : Asiam-panamboarana ireo baka fiampitana rano

30/07/2024 10:34 © Moov

Ankoatran’ny asa fanamboaran-dalana iandraiketan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy, dia misy ihany koa ny asa fanamboarana sy fikojakojana ireny "Baka" ireny. Miisa efatra izy ireo no iandraiketan'ny Fitaleavam-paritry ny Asa Vaventy (DRTP) Atsinanana.

Fikojakojana sy fanatsarana

Maro ireo asa fikojakojana sy fanatsarana hatao amin’ireo baka ireo. Ny tena goavana amin’izany dia ny fanoloana milina roa vaovao ho an’ireo Baka ao Menagisy sy Salehy. Raha ny asa izay hatao amin’izao dia amin’ireo baka Menagisy, miampita ny reniranon’i Mangoro, amin’ny lalam-pirenena RNT23, mampitohy ny Distrikan’i Mahanoro sy Marolambo. Ny telo ambiny kosa any amin’ny lalam-pirenena RNT11, mampifandray ny Distrikan’i Mahanoro sy Nosy-Varika. Isan’izany ny Baka Salehy, mandalo ny reniranon’i Mangoro. Ao ihany koa ny Baka Andranotsara sy ny Baka Masomeloka izay samy miampita ny reniranon’i Pangalana. Marihina fa ireo baka ireo dia hampiasain’ny olona aman’arivony ary miampy izany isa izany amin’izao fotoan’ny fialan-tsasatra izao. Ny orinasa EGC Tiana moa no manatanteraka ny asa rehetra ary famatsiam-bola avy amin'ny « Fonds Routier » (FR) no ahafahana manatanteraka izany. Araka izany, ankoatra ny lalam-pirenena dia laharam-pahamehana ihany koa itony fitaovana ilaina amin’ny fivezivezena itony na dia manalavitra kely ny Renivohitra aza izy ireny.

Tsy tapahina ny fifamoivoizana

Ataon’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy laharam-pamehana ny fanamboarana ireny fotodrafitrasa momba ny lalana ireny ho fitsinjovana ireo mpampiasa lalana, indrindra amin'izao vanimpotoan’ny fialan-tsasatra izao. Tanjona ny mba hitohizan’ny fifamoivoizana tsy tapaka. Nanamarika araka izany ny Ministera fa na dia ao anatin’ny fanamboarana aza ireto fitaovana ireto dia mizotra hatrany ny fifamoivoizana. Tsara ny mampahatsiahy fa mila kojakojaina sy arovana ireny fananana iombonana ireny mba haharitra sy ho lovain’ny taranaka. Marihina ihany koa fa efa manomboka ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-2 sy faha-4 ny Ministera amin’izao fotoana izao. Hatao izany mba hanarenana indray ireo fotodrafitrasa ahitam-pahasimbana amin’izao fotoana izao.

Lire la suite

Articles Similaires