• Cours de change
  • 4 399,93 AR
  • |
  • $3 987,83 AR
Copyright Image : © Mef
Image
Vaovao

Ministeran’ny toekarena : Nitsidika ny Minisitra ny solontena maharitry ny FMI vaovao

30/07/2024 09:36 © Moov.Mg

Nitsidika ara-pomba fanajana ny minisitry ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, omaly, ny Solontena maharitry ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena vaovao eto amintsika, Eklou Kodjovi.

Fampiroboroboana ara-toekarena

Tera-tany avy any Togo Atoa Eklou Kodjovi. Efa niasa ho an’i Singapour, Malaisie, Tchad, Estonie, Lettonie, teo anivon’ny foiben’ny FMI tao Washington izy, no izao vatendry hiasa eto Madagasikara izao indray. Natomboka avy hatrany tamin’ny dinik’asa ity fihaonana voalohany omaly ity, ka zava-dehibe indrindra tamin’izany ny fandaminan'asa mahakasika ny Famakafakana (revue) momba ny Facilité Elargie de Crédit (FEC) an'ny FMI, izay hotontosaina ny 30 septambra hatramin'ny 11 ôktobra 2024. Teo ihany koa ny fanomanana ny « article IV-FMI », izay lahatsoratra soratan’ny FMI mikasika ny lohahevitra safidiana manokana. Efa nifanekena moa ireo lohahevitra ireo fa hiompana amin’ny herinatra eto Madagasikara, ny fambolem-bary, ny anjara toeran'ny fanabeazana amin'ny fampiroboroboana ny ara-toekarena ary ny fiantraikan'ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Firenena filamatra

Raha tsiahivina dia tamin’ny volana jona lasa teo no neken'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ny fandaharan'asa "Facilité Elargie de Crédit" (FEC) sy ny "Fonds pour la Résilience et la Durabilité" (FRD), hahafahan'i Madagasikara misitraka 663 tapitrisa dolara ho an'ny telo taona manaraka. I Madagasikara rahateo no voasafidy ho firenena filamatra (pays pilote) eo amin'ny fiaraha-miasan'ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena. Araka izany, hisy ny fihaonana voalohany eo anivon'ny roa tonta amin'ny 14 ôktôbra ho avy izao.

Lire la suite

Articles Similaires